- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAmpasika : Tsy menatra ny manafika ireo mpitondra fiara ny jiolahy

Ampasika : Tsy menatra ny manafika ireo mpitondra fiara ny jiolahy

Tsy miandry alina akory fa na amin’ny antoandro be nanahary aza, saingy amin’ny fotoana mahabe ny fitohanan’ny fifamoivoizana no manao ny asa ratsiny ireo jiolahy mpanendaka, eny amin’iny faritra Ampasika sy ny manodidina iny. Ireo mpitondra fiara taraiky ao anatin’izany fitohanana izany no ataon’izy ireo lasibatra tokoa.

Efa tsy miafina amin’ny rehetra tokoa ny zavatra tsy maintsy hosedrain’ireo mpampiasa lalana rehetra amin’iny lalan’Itaosy iny, indrindra fa eo amin’ny tetezan’Ampasika. Ankoatra ny fitohanam-be mantsy dia miharo fitaintainana indray izao, amin’ny afitsok’ireo jiolahy mpanendaka, izay miaraka amin’ny basy sy zava-maranitra isan-karazany. Araka ny fitantaran’ireo mpitondra fiara efa nisedra izany mantsy dia tsy misy tahotra intsony ireo olon-dratsy miezaka mamoha ireo fiara tsy afa-mihetsika anaty « embouteillage ». Raha sendra tsy voavohan’izy ireo ny fiara dia voarahona amin’ny fitaovam-piadiana ny mpamily. Toa zavatra efa mahazatra ireo mponina eny ny tranga toa io ka tsy misy mihetsi-bolo-maso akory eo anatrehan’izany. Na iray aza tsy misy vonon-kamonjy ilay niharan’ny fanafihana akory. Asa, tahotry ny valifatin’ireo olon-dratsy angamba.

Efa betsaka ihany izay ny tranga toy izany teny amin’iny faritra iny. Ary azo lazaina fa tsy mikely soroka amin’ny fanaovana ny asany anefa ireo mpitandro filaminana eny an-toerana. Porofon’izany ny fisian’ireo fisamboranana maromaro ary ny fahatratrarana ambodiomby ireo mpanao ratsy. Ankoatra izay ihany koa ny fisafoana andro aman’alina eny amin’ireo faritra mafana, izay miafara amin’ny fisamborana matetika, toy ity teny amin’iny faritra Vinany ity ny faran’ny herinandro teo, izay nahatratrana roa lahy avy nanendaka mpivavaka, ny alahady teo. Na dia eo aza anefa izany dia toa mahita hirika foana ireo jiolahy ary ny loza dia vao mainka toa miha-mirongatra aza.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici