- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasimpotsy gara : Kamiao nifatratra teny amina tranon’olona, iray maty

Ampasimpotsy gara : Kamiao nifatratra teny amina tranon’olona, iray maty

Natolotra ny fampanoavana ny andron’ ny 15 jolay 2019 ilay mpamily nitondra ny fiara vaventy feno entana ka niharan’ ny lozam- pifamoivoizana teo amin’ ny Pk 127+170 teo amin’ ny tanànan’ Ambolomborona, fokontany Ampasipotsy, kaominina Ampasipotsy gara. Vokatry ny tsy fanajan’ ny mpamily ny fenitra eo amin’ ny jiro fampiasa raha toa ka mifanena amin’ ny alina no isan’ ny anton’ ny loza raha ny nambaran’ ilay mpamily fiara vaventy, satria naka sisiny izy raha vantany vao nitifitra ny masony ny jiro nifanena taminy ka nahatonga azy haka sisin- dalana ka nahazo morona malemy ka nitambotsitra tamin’ ny tranon’ olona, dia izao nahafatesana olona sy naharatrana olona izao. Ny alin’ ny 12 jolay 2019 tokony ho tamin’ ny 11 ora sy sasany no niseho ity loza ity. Vokany potika manontolo ny trano sy ny entana tao anatiny noho ny vesatry ny kamiao feno entana.

Cathy

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici