Na anaty fiara na mandeha tongotra na eny am-piakarana fiara dia manao ny ataony hatrany ireo mpanendaka. Ny alakamisy hariva lasa teo, tovolahy iray no tratra am-bodiomby nanendaka lehilahy saika hiakatra taxibe, teo Ampefiloha. Lasa tamin’izany ny solosaina enti-tanana tao anatin’ny sakaosy nentin’ity lehilahy ity. Natsipin’ilay mpanendaka avy hatrany teny amin’ny namany, niandry teo ivelany anefa ilay entana sarobidy, ary lasa avy hatrany ity farany nitsoaka nandositra. Voatazon’ilay voaendaka kosa ity tovolahy nanendaka azy, nampiana mpitandro filaminana tsy nananao fanamiana tao anatin’ilay taxibe. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny pôlisy ity mpanendaka ity. Tamin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa efa zava-panaony ity manendaka ity rehefa iny misy olona misisika taxibe iny, indrindra fa amin’ny andro harivariva. Tsy vitan’izay anefa fa efa avy nigadra ihany koa ity lehilahy manodidina ny 35 taona ity, noho ny resaka asan-jiolahy, vaky trano sy fanendahana. Mbola eo am-pikarohana ity namany nitondra an’ilay “ordinateur portable” ireo mpitandro filaminana amin’izao. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ity mpanendaka ity. Saika isan’andro tokoa dia ahenoana resaka fanendahana foana tato ho ato teto an-drenivohitra. Mila mailo dia mailo tokoa araka izany ireo mponina, indrindra fa ireo voatery mandeha hariva.
m.L