- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmpefiloha : Mamo nandona lahy antitra tao anaty « passage zebré...

Ampefiloha : Mamo nandona lahy antitra tao anaty « passage zebré »

Toe-javatra tsy tokony hitranga ny toa ity niseho teny Ampefiloha, teo ankaikin’ny ANS ity raha samy tonga saina ny rehetra amin’ny tokony hanajana ny lalànan’ny fifamoivoizana. Raim-piakaviana efa nahazo taona no naratra mafy saika namoy ny ainy raha tsy voavonjy haingana rehefa nodonin’ny moto teny an-toerana, ny talata antoandro tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany. Avy any amin’ny Tranobe Fiaro any ilay moto, izay nirimorimo mafy, no nandona ilay Rangahy tampoka tao anatin’ny toerana voatokana hiampitan’ny mpandeha an-tongotra, na « passage zebré », tsy lavitra ny hidin-dalamby eo Ampefiloha. Araka ny filazan’ny nanatri-maso, sady mandeha mafy ilay mpitondra moto no toa tsy mijery lalana akory fa variana mitodika miresaka amin’ilay vehivavy nentiny nanao taingin-droa niaraka taminy. Nipitika santimetatra vitsivitsy mihitsy ilay rangahy vao nitsirara tamin’ny arabe. Nandriaka ny ra satria tena naratra mafy  ilay voadona. Ilay ranamana koa tetsy ankilany, nianjera sy naratra teo amin’ny handriny. Nitsoaka avy hatrany kosa ilay vehivavy nentina tamin’ny moto rehefa nahita izany. Nitangorona ny olona nijery ilay loza saingy toa samy nijery fotsiny aloha tsy nisy nisaina ny hamonjena ity lahy antitra izay hita fa tena voa mafy. Fiara 4X4 iray sendra nandalo teny an-toerana no nijanona ka nitondra haingana ireo naratra teny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Nony tonga teny amin’ny hôpitaly anefa dia hita fa mamo ity mpitondra moto. Toa tsy tonga saina akory izy fa nanao ny tsy mety ary tokony handray andraikitra amin’ity olona nodoniny. Ny ratra nahazo azy rahateo tsy dia goavana loatra. Nirediredy sy nanao valy boraingina fotsiny izy raha mba nanontany azy izay tokony hataony manoloana ny fahavoazan-drainy ny zanak’ilay voadona. Mbola ny namorona antsanga tsy aman’orana indray aza no nataony ka nilaza fa nodonina fiara 4X4 avy aoriana, hono izy, dia nifatratra tany amin’ilay rangahy niampita. Tantaraina ihany ny tranga toy izao mba hanairana ny sain’ny manam-pahefana isan’ambaratongany sy ny mpampiasa lalana rehetra mba samy handray ny andraikitra tandrify azy.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici