- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmpefiloha : Mpanendaka nifanenjehana, nitsoraka tao amin’ny lakan-dranon’Andriantany

Ampefiloha : Mpanendaka nifanenjehana, nitsoraka tao amin’ny lakan-dranon’Andriantany

Tsy lasa lavitra dia noraisim-potsiny. Tovolahy iray no voasambotry ny pôlisy avy etsy amin’ny Ppa Ampefiloha ny talata hariva lasa teo. Teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ranamana no tsikaritr’ireo pôlisy mpanao fisafoana, tokony ho tamin’ny enina ora hariva tany ho any. Araka ny fampitam-baovao azo dia rangahy lehibe, 71 taona, no nataony lasibatra tsy lavitry ny lalamby tetsy Manarintsoa Isotry. Efa hiaraha-mahalala ihany ny maha-faritra mena iny toerana iny, ka izay no tsy hialàn’ireo pôlisy manao fisafoana eny an-toerana, na manao fanamiana na tsy manao. Tamin’io fotoana io mihitsy no tsikaritra ny asa ratsy nataon’ity mpanendaka ity, ka raikitra avy hatrany ny fifanenjehana. Ilay tovolahy nanendaka moa, raha vao nahita ireo pôlisy dia nanao tongotra an-katoka nitsoaka, saingy angamba tsy nahita lalan-kaleha intsony. Hany heriny tamin’izay fotoana izay, dia nitsoraka avy hatrany tao amin’ny lakan-dranon’Andriantany, tsy lavitra teo ny tenany. Efa tsipaky ny miala aina angamba ny an’ingahirainy satria dia nandrasana fotsiny teny amin’ny sisin-drano ranamana, toa ireny trondro latsaka am-bovo ireny. Tsy nandrasana ela akory dia noraisim-potsiny, ary nentina natao famotorana tany amin’ny biraon’ny pôlisy. Tsy vitan’izay anefa, raha ny vaovao azo fa efa tarehy tsy zoviana amin’ireo mpanao fanadihadiana intsony ity tovolahy ity. Vao ny faramparan’ny volana teo, ny faha-20 septambra lasa teo ingahirainy no nandalo teo anivon’ny pôlisy, noho izy voarohirohy tamin’ny resaka vaky trano. Nomen’ny Fampanoavana fahafahana vonjimaika anefa izy tamin’izay fotoana izay ary dia izao tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny izao indray. Haverina hatolotra eny anivon’ny Fampanoavana indray moa ny lehilahy, aorian’ny famotorana sy fakàna am-bavany azy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici