- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAmpefy : Telo lahy navadiky ny rano, tsy hita popoka

Ampefy : Telo lahy navadiky ny rano, tsy hita popoka

Hatramin’ny omaly, fotoana farany nanamarinana ny vaovao, dia mbola tsy hita popoka ireo telo lahy navadiky ny lakana. Ny asabotsy teo, manodidina ny tamin’ny dimy ora hariva no nitranga ny loza teo Antorapasika, tanàna iray manamorona ny farihin’Itasy. Avy nitoto vary izy ireo ary heverina fa handeha hamonjy fodiana no io niharan-doza io. Ny andron’iny ihany, dia efa natomboka ny fikarohana izay tsy maintsy najanona rehefa maizina ny andro. Nitohy omaly izany ary mbola tsy nahitam-bokany hatrany. Nanonja be ny farihin’Itasy ary izay hatreto no nahatonga ny lakana  nitondra azy ireo ho nivadika. Mponina eo Antorapasika, toerana nitrangan’ny loza ihany, izy telo lahy ireo, raha araka ny fanampim-baovao azo. Tsy dia mateti-pitranga ny toy izao ao amin’io farihy io, ary indrindra koa efa hain’ny tompon-tany ny fotoana fihetsehan’ny rano. Mitohy hatrany ny fikarohana ireo olona.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici