Tokantrano iray, teny amin’iny faritra Ampitatafika iny indray, no lasibatry ny jiolahy mirongo fiadiana, ny alatsinainy maraina lasa teo. Dimy lahy izy ireo raha ny fampitam-baovao, ary samy nitondra basim-borona sy basy poleta. Lasa tamin’izany ny vola vahiny mitentina eo amin’ny 3000 euros, izay tombanana any amin’ny sivy tapitrisa ariary any ho any, niaraka tamin’ny solosaina ary ny fiara iray teo an-tokotany. Nanao amboletra niditra ity tanàna ity fotsiny ireto olon-dratsy ireto. Taitra noho izany ireo tompon-trano, saingy tsy afa-nanoatra nanoloana ny fandrahonana nataon’ireto olon-dratsy. Ny vola avy hatrany no notakian’ireto farany tamin’izay ary tsy namelany raha tsy lasany ireto vola vahiny ireto. Nisy antontan-taratasy maromaro ihany koa, solosaina, ary nampiharin’izy ireo tamina fiara iray nipetraka teo an-tokotany. Noho ireo voatafika tsy afa-nanoatra dia nanjakazaka ireo jiolahy, nanao izay danin’ny kibony. Lasa izy ireo vao afaka niantso vonjy ny tompon-trano. Tonga avy hatrany teny an-toerana moa ny zandary tompon’andraikitra amin’iny faritra iny, nanao avy hatrany savahao ny manodidina, saingy efa tafaporitsaka ireto mpanafika ireto. Mbola mitohy moa ny fikarohana ireto farany.
m.L