- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmpitatafika : Efadahy mpanendaka mpivavaka voa maraina tratran’ny polisy

Ampitatafika : Efadahy mpanendaka mpivavaka voa maraina tratran’ny polisy

Mpanendaka miisa efatra no tra-tehaky ny polisy avy ao amin’ny PP Loharanombato Ampitatafika. Malaza ratsy amin’ny fanendahana ireo mpianatra sy mpivavaka mandeha voa maraina izy ireo. Fitarainana maro no efa voarain’ny mpitandro filaminana mahakasika izany. Nandeha avy hatrany ny fijaikoana ireo jiolahy ireo ka izao nahitana vokany izao. Ireo polisy notarihan’ny lehibeny Tototlava Jean Aimé no niandraikitra ny fisamborana. Roa andro no natao izany, ny faha-5 aprily sy ny faha-6 aprily tamin’ny 5 ora sy sasany maraina. Voafaritra mazava ny toerana fanendahan’ireto andian’olona ireto : Ambohimamory, Vinany ambadiky ny FJKM, Siniben-drano, Fasana misy sarina Liona, Andrady espace Volomanga ary Ambohijana Masoandro. Fantatra ihany koa ny fitaovam-piadaina fampiasan’izy ireo toy ny sabatra. Rehefa nandeha ny famotorana ireto andiana mpanendaka ireto dia fantatra fa ireo mpianatra sy mpivavaka maraina no tena mitondra faisana. Lasa amin’izany ny finday, ny vola sy ny fakan-tsary. Manamarika ny mpitandro filaminana fa efa olona nigadra teny Antanimora ny iray amin’ireo efatra tratra ireo. Vao nivoaka ny fonja anefa dia izao mamerin-keloka izao indray. 21 taona ny kely indrindra ary 25 taona ny zokiny. Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy efatra ireo.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici