- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversAmpitatafika : Kaporaly nahafaty vady, karohina

Ampitatafika : Kaporaly nahafaty vady, karohina

Karohina ity Kaporaly ity nanomboka ny asabotsy teo.
Karohina ity Kaporaly ity nanomboka ny asabotsy teo.

Samy naheno azy roa nifamaly ny mponina teo amin’ny trano nipetrahan’izy ireo, etsy Ampitatafika-Loharanombato. Manodidina ny tamin’ny folo ora teo no nitrangan’izany, raha araka ny fanazavan’i Rivoson Théogène, rain’i Amida Rivoharimanitra, ilay namoy ny ainy. « Hatreto aloha dia tsy fantatra mazava izay mety ho anton’ny ady. Naheno fifamaliana ny olona teo amin’ny manodidina ny trano, saingy tsy nahasahy niditra satria noheverina hatreto ho adin’ny mpivady » raha araka ny fanazavan-drainy hatrany. Nijanona tampoka anefa izany ary tsy nahenoana feo intsony. Teo vao nanomboka nijery ny olona ary tao anatin’ny trano dia vehivavy tsy nihetsika intsony. « Nisy dian-dratra ary goaka teo amin’ny mifanandrify amin’ny fihirifany. Tsy izany ihany fa mbola feno ratra ihany koa tany amin’ny faritra maro tamin’ny vatany » hoy ny loharanom-baovao mitovy. Nitsoaka ilay miaramila mitondra ny grady Kaporaly ary miasa ao amin’ny tobin’ny RAS, taorian’izay. Randrianantenaina Lucien ny anarany, raha araka ny nampitain’ny havan’ny maty. Nanomboka teo ihany, rehefa nanokatra fanadihadiana ny zandary, dia nisy ny fikarohana nataony. Hatramin’ny omaly nanontanianay farany ny fianakavian’ny maty dia tsy mbola hita izay nanjavonan’io Kaporaly io. Niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy ny sariny ary nangataka ny fianakaviana ny mba hanampian’ny olon-tsotra azy ireo amin’ny fikarohana ny nahavanon-doza. « Afaka mampandre avy hatrany ny mpitandro ny filaminana izay akaiky na koa miantso ny 034 12 001 71 izay manam-baovao mahakasika ity raharaha ity » hoy ny rain’ny maty.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici