Ny talata teo tokony ho tamin’ny 9 ora maraina no nitrangan’ity lozam-piarakodia ity teny amin’iny faritra Ampitatafika Ambodiafotsy iny. Vokany 3 no maty ary naratra avokoa ny rehetra tao anaty ny fiara. Araka ny vaovao voaray dia fiara roa nifandona mafy no niteraka izao loza mahatsiravina izao , teo ihany koa ny fandehanana izay diso mafy loatra nataon’ny mpamily. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa efa manohy ny fitsaboana eny anivon’ny hopitaly Hjra kosa ireo rehetra naratra, ireo namoy ny ainy dia efa samy nohentina teny amin’ny fasan-drazany .
FINARITRA. RAKOTO(Stagiaire)