Telo lahy tratra am-bodiomby, mbola teo am-pangalarana irony takelaka mpamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro, tamin’ireo andrin-jiro teny amin’iny faritra Ampitatafika iny, no saron’ny zandary teny an-toerana, ny zoma alina lasa teo. Namaly avy hatrany tamin’ny tora-bato ireto olon-dratsy ireto, ka nahavoa ireo zandary nahatratra azy ireo. Samy naratra avokoa moa ireo farany raha ny vaovao voaray. Teo anatrehan’izany, dia tsy maintsy nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy ireto mpitandro filaminana ireto ka ny lavon’ny bala tamin’izany ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Raha ny zava-nitranga araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny zandary : tokony ho tamin’ny 11 ora alina tany ho any, raha nanao ny fisafoana mahazatra ireo zandary avy amin’ny « poste avancé » tao Ampitatafika, no nahatsikaritra ireto telo lahy ireto. Efa maro loatra mantsy ny fitarainana azon’ireo mahakasika ity halatra « panneaux solaires » ity, ka antony nahatonga ny fisafoana isan’alina ireo andrin-jiro manazava ny lalam-pirenena voalohany iny. Vao nahatazana iretsy zandary anefa ireo olon-dratsy avy hatrany dia nanohitra ary nanomboka ny tora-bato isan-karazany. Samy naratra avokoa ireto zandary tamin’io fotoana io. « Rehefa nampitandremana izy ireo, dia tsy niraharaha ka voatery nampiasa ny fitaovam-piadiany ireto zandary ireto ary lavo ny iray taminy fa tafatsoaka kosa ny roa ». Niroso tamin’ny savahao ny manodidina ireto mpitandro filaminana, saingy toa efa nafenin’ny alina ireto olon-dratsy. Mbola mitohy araka izany ny fikarohana sy ny fanadihadiana. Nalefa teny amin’ny tranom-paty tetsy amin’ny Hjra kosa ilay mpangalatra maty voatifitra. Marihana fa tsy nisy taratasy nahafantarana azy teny aminy raha ny vaovao hatrany.
m.L