- Publicité -
lundi, juin 23, 2025
AccueilFaits-DiversAmpitatafika : Mpangalatra « panneaux solaires » maty voatifitra

Ampitatafika : Mpangalatra « panneaux solaires » maty voatifitra

Telo lahy tratra am-bodiomby, mbola teo am-pangalarana irony takelaka mpamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro, tamin’ireo andrin-jiro teny amin’iny faritra Ampitatafika iny, no saron’ny zandary teny an-toerana, ny zoma alina lasa teo. Namaly avy hatrany tamin’ny tora-bato ireto olon-dratsy ireto, ka nahavoa ireo zandary nahatratra azy ireo. Samy naratra avokoa moa ireo farany raha ny vaovao voaray. Teo anatrehan’izany, dia tsy maintsy nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy ireto mpitandro filaminana ireto ka ny lavon’ny bala tamin’izany ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Raha ny zava-nitranga araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny zandary : tokony ho tamin’ny 11 ora alina tany ho any, raha nanao ny fisafoana mahazatra ireo zandary avy amin’ny « poste avancé » tao Ampitatafika, no nahatsikaritra ireto telo lahy ireto. Efa maro loatra mantsy ny fitarainana azon’ireo mahakasika ity halatra « panneaux solaires » ity, ka antony nahatonga ny fisafoana isan’alina ireo andrin-jiro manazava ny lalam-pirenena voalohany iny. Vao nahatazana iretsy zandary anefa ireo olon-dratsy avy hatrany dia nanohitra ary nanomboka ny tora-bato isan-karazany. Samy naratra avokoa ireto zandary tamin’io fotoana io. « Rehefa nampitandremana izy ireo, dia tsy niraharaha ka voatery nampiasa ny fitaovam-piadiany ireto zandary ireto ary lavo ny iray taminy fa tafatsoaka kosa ny roa ». Niroso tamin’ny savahao ny manodidina ireto mpitandro filaminana, saingy toa efa nafenin’ny alina ireto olon-dratsy. Mbola mitohy araka izany ny fikarohana sy ny fanadihadiana. Nalefa teny amin’ny tranom-paty tetsy amin’ny Hjra kosa ilay mpangalatra maty voatifitra. Marihana fa tsy nisy taratasy nahafantarana azy teny aminy raha ny vaovao hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici