Raikitra ny sakoroka, omaly hariva, teny amin’iny faritra Ampitatafika iny. Mpitandro filaminana iray miasa eo anivon’ny Prezidansa no saika norotahan’ny fokonolona. Soa ihany anefa, fa tonga haingana ireo zandary misahana iny faritra iny. Voalaza mantsy araka ny loharanom-baovao hatrany, fa leo ny fanamparam-pahefana sy ny ramatahora ataon’ity mpitandro filaminana ity ireo fokonolona teny an-toerana ka izao nikasa ny hanafika azy tao an-tranony izao. Tsy vao izao mantsy izy io, araka ny fanazavana azo hatrany no manao izany toetra izany, fa efa ela. Ary izy rehefa mamomamo no manana izay fahazaran-dratsy manampatra fahefana amin’izay hoe maha-mpitandro filaminana azy izay ary toa hoe mandrangaranga basy mihitsy aza izy io, mandrahona ireo olona sahy mifanandrina aminy. Tamin’ity indray mitoraka ity, dia resaka adin-jaza no niatombohany raha ny voalaza hatrany, ary efa mamo ihany koa ingahirainy tamin’io fotoana io. Antony nampitroatra ireo mponina teny an-toerana ny hikomy aminy. Tonga avy hatrany teny an-toerana moa ireo zandary misahana iny faritra iny, niezaka nandamina ireo fokonolona mba tsy hiitaran’ny raharaha. Fantatra omaly hariva ihany koa, fa nisy mpitandro filaminana namany hafa tonga naka azy teny an-toerana.
m.L