- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversAmpitatafika : Roalahy mpandroba taximoto MD

Ampitatafika : Roalahy mpandroba taximoto MD

Nosamborina ny mpangalatra kodiaran-droa ampiasain’ireny taximoto ireny. Torak’izany koa ny mpividy ny halatra. Efa miasa anaty tambajotra tanteraka izy ireo ary tsy ela dia tsy misy taratra intsony ny moto nangalarina. Tamin’ity tranga ity dia teny Antanimena no niainga ny adivarotra ary raikitra fa hanatitra any Ampitatafika mba haka entana kely ary miverina avy hatrany avy eo. Teny an-dàlana anefa dia niangavy ny mpandeha mba hitondra ny moto noho izy matahotra entina. Nanaiky koa ny mpanamory. Teny am-pandehanana dia mody nalatsaka ny finday. Voatery nijanona arak’izany ary raha vao naka izany ny tompon’ny taximoto dia rifatra tsy tàna ilay mpandeha lasa mpanamory izany. Soa fa mba haingana ny very moto nampandre ny zandary teo Ampitatafika. Nampitaina tamin’ny zandary manodidina ny tranga ary nahomby izany : voasakana teo Ampasika ilay moto ary nosamborina ny mpitaingina azy. Nanomboka teo ny fanadihadiana ary voamarina tokoa fa tena io ilay mpangalatra. Io farany indray no nanondro ny mpiara-miasa aminy izay nosamborina. Samy nidoboka am-ponja izy roalahy rehefa nandalo fampanoavana. Lesona azo tsoahina tamin’ity tranga ity ny tokony hampandrenesina haingana ny mpitandro ny filaminana izay akaiky ary ao anatin’ny fotoana fohy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici