Tao an-tranon’ny filohan’ny Repoblika voalohany teto amin’ny firenena no nitranga ny herisetra ny alakamisy teo. Tao anatin’ny lanonana izay fankalazana ny faha-63 ny fahaleovantena teto amin’ny nosy. Teo am-panaovana « cocktail » izay natrehin’ny manam-pahefana maro no nisy ny fikasihan-tànana ny mpanao gazety roa izay avy ao amin’ny As Radio sy Radio Mangarahara, onjam-peo roa izay samy ao Antsohihy. Ny mpamilin’ny depiote voafidy tao an-toerana no tompon’andraikitra tamin’ny herisetra. « Raha ny tantara dia io mpamily io no namely totohondry avy hatrany ireo mpanao gazety izay namaly ihany koa. Teo anatreahan’ireo olo-manan-kanja maro tonga nanatrika ny lanonana no nisehon’izany ka niditra antsahatra ny mpitandro ny filaminana nandamina sy nanasaraka azy ireo », raha araka ny tatitry ny mpitandro ny filaminana. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fanatontosàna ny asa ireo mpanao gazety no izao voadaroka izao. Raha ny fantatra dia tsy faly amin’ireo vaovao izay avoakan’ireto mpanao gazety ireto ilay mpamily, indrindra fa ny nahakasika ny mpampiasa azy. Ireo mpanao gazety ireo no isan’ny namoha indray ny tantara ratsin’ilay olom-boafidy dia ny raharaha fanolanana izay nataony tany aloha tany. Niteraka tsy fahafaliana izay niafara tamin’ny fikasihan-tanana izany. Efa nampandrenesin’ireo mpanao gazety ny fikambanana mpiahy azy ireo amin’ny asa. Handrasana ny tohiny.
D.R