- Publicité SW45 -
lundi, mai 13, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalakely : 4X4 mainty naka an-keriny bandy roa

Analakely : 4X4 mainty naka an-keriny bandy roa

Amin’ny andro antoandrobe nanahary no niseho ity fakàna an-keriny ity omaly. Roa lahy, mpiara-miasa no niharan’izany. Nirava avy niasa antoandro izy ireo no niharan’ilay asaratsy. Nijanona nifanandrify tamin’izy roa lahy ilay fiara marika Land Rover Discovery efa tranainainy. Mainty avokoa ny fitaratr’io fiara io ary nibata azy ireo niditra tao anatiny. Vao tafiditra dia avy hatrany dia nodarohina tsy ankijanona. Teo rahateo no tsaroan’ny iray tamin’izy roa lahy farany. Izy io, rehefa heno fa nisy fofon-tsigara ary koa nisy fandrehetana (briquet) tany aminy, dia avy hatrany dia natsipy nivoaka ny fiara. Toran-kovitra tanteraka izy ary nitantara ny nanjo azy. Ny hany nanavotra azy izany tamin’ity raharaha ity dia noho izy mifoka sigara. Nandeha avy hatrany ny eritreritry ny maro ny amin’ny anton’ny fakàna an-keriny. Ankoatra ny mety ho antony manokana eo amin’ny roa tonta(règlement de compte), kanefa nilaza ho tsy mahafantatra ireo olona tao anatin’ny fiara ilay iray nariana, dia nieritreritra ny olona fa sao kosa resaka halatra taova no miseho. Midika zavatra maro mantsy ilay hoe resaka sigara no antony namotsorana ilay iraika lahy…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici