- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely – Andravoahangy : Fanafihana mitam-piadiana, vola an-tapitrisany maro no lasa

Analakely – Andravoahangy : Fanafihana mitam-piadiana, vola an-tapitrisany maro no lasa

Tamin’ny toerana roa samihafa, ary saika tamin’ny ora nitovy ireo fanafihana. Ny iray tranombarotra iray malaza amin’ny fivarotana valonan-damba no lasibatry ny jiolahy nitondra fitaovam-piadiana omaly, tokony ho tamin’ny 11 ora tany ho any, tetsy Analakely. Vola roa tapitrisa ariary teo ho eo no lasan’izy ireo, araka ny fanazavana azo avy tamin’ny mpitandro filaminana. Fa fotoana fohy taorian’izay, dia tranombarotra lehibe iray indray ihany koa no lasibatra teny amin’iny faritra Andravoahangy tsena iny. Vola tamin’ny gony no lasa. Kisendrasendra sa efa nomanina ? Mpinamana ihany ve ireo ?

Ny zava-nitranga tetsy Analakely, araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso, dia teo amin’ny telolahy teo izy ireo, toy ireo mpanjifa  ireny. Nandrahona ny tompon’ny fivarotana, ary naka ny vola rehetra tao amin’ny fitoeram-bola, izay manodidina ny roa tapitrisa any ho any. Nivoaka tsimoramora toy ny tsy nanao n’inona n’inona ihany koa. Fikoropahan’ireo tao am-pivarotana sy ny fahatongavan’ireo pôlisy maromaro no nanaitra ny manodidina. Araka ny fanazavana azo hatrany, dia efa hita tao anaty « camera de surveillance » ny endrik’ireto olon-dratsy ireto ary nandeha avy hatrany ny fikarohana. Fa raha mbola nisomebiseby teny ny polisy, dia fantatra ihany koa fa nisy tranombarotra iray voatafika teny Andravoahangy Tsena. Efa-dahy indray ireo, izay samy nitondra basy PA tsirairay avy. Tamin’ny gony mihitsy ny vola lasa, izay tombanana any amin’ny dimampolo tapitrisa any ho any. Tsy nisy fanapoahana basy ihany koa teny. Nisy nahafantatra ihany koa ny mombamomba ireo olon-dratsy ka raikitra ny fisavana sy ny savahao. Ary raikitra ny fifanenjehana nony avy teo. Nihazo an’Anjanahary sy Manjakaray iny izany, ary tonga hatrany Andraisoro mihitsy. Efa nisy iray ihany saika voasambotra, raha ny fanazavana azo, saingy tafaporitsaka izy io. Hatramin’ny omaly hariva, ora nanoratanay dia mbola manatanteraka fisafoana sy savahao ho fikarohana ireo olon-dratsy, na izany ireo nandroba teo Analakely na ireo nanafika tetsy Andravoahangy, ireo hery rehetra avy amin’ny pôlisy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici