- Publicité -
mardi, juin 24, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Basy vita gasy no tena maro tamin’ny nopotehina

Analakely : Basy vita gasy no tena maro tamin’ny nopotehina

Nisy kalachnikov, nisy pistolet automatique, basy lava sns. Fa ny tena maro dia ireo basy vita tànana, vita gasy. Mitotaly 843 ireo ary nohitsahina tamin’ny “bulldozer” omaly, tetsy anoaloan’ny kaominina tetsy Analakely. Tonga nanatrika izany ny manampahefana maro ary raha ny fantatra, dia hoentina any Moramanga ny potik’ireo fitaovam-piadiana ka harendrika ary havadika ho angady sy fitaovana hafa. Basy izay naterina sy azon’ny mpitandro ny filaminana ireo, nandritra ny hetsika fampandriam-pahalemana izay natao tao anatin’ny iray volan’ny famotsoran-keloka. Tsy mijanona akory izany raha ny fanazavan’ny minisitry ny fiarovam-pirenena; izay manentana ireo mbola mitazona basy tsy ara-dalàna ny mba hanatitra an’izany eny anivon’ny mpitandro ny filaminana. Natrehan’ny vadintany ny famotehana ireo basy, omaly. Taiza no niavian’ireo basy? Isan’ny mbola fanontaniana mipetraka izany ankehitriny. Ireo olona izay nanatitra an’ireo, noho ny hatsoram-po mantsy, dia tsy voatery ny hahafantatra izay tena mety niavian’ireo fitaovam-piadiana. Hatreto ny petra-kevitra izay vinavinaina, dia nandritry ny krizy 2002 no niparitaka ny fitaovam-piadiana noho ny gaboraraka tamin’izany fotoana. Mbola mitombina ve anefa izany valin-teny izany amin’izao 2018 izao, raha hanazavana ny fiparitahan’ny basy? Ireo fitaovam-piadiana mantsy, dia saika ireny PA sy kalachnikov ireny ary koa ny basim-borona no tena miparitaka. Izany hoe tsy basy vita gasy, fa ireo tokony hampiasain’ny mpitandro ny filaminana ny ankamaroany. Ny tena isan’ny handrasana izany, dia ny fahafahana mametraka fitaovana fanaraha-maso ny basy. Misy ihany ny “décharge” atao eo anivon’ny mpitandro ny filaminana isaky ny maka basy hampiasaina amin’ny asa. Izany anefa dia mijanona ho eo anivon’izy ireo ary raha vao misy vondrona hafa tokony hanao fanadihadiana momba ny basy, dia tsy mety tonga hatramin’ny farany izany noho ny tahotra. Vokatr’izany, dia lasa tsy voamarina ny niavian’ny basy rehefa misy heloka bevava mitranga na dia fantatra aza fa tsy misy afa-tsy ny mpitandro ny filaminana ihany no tokony hampiasa ny basy nanatontosana ny heloka. Izany hoe, raha tiana tena tsy hiparitaka ny basy, dia mila fanamarinana iarahan’ny vondron’ny mpitandro ny filaminana mba hahafahan’ny tsirairay mamantatra avy hatrany hoe basin’iza no nampiasaina taiza? Torak’izany koa, mazava ho azy, ny momba ny bala. Rehefa tsy izany dia tsy ho foana mihitsy ny fanafihana mitam-basy izay lasa an-davanandron’ny mponina. Efa dingana iray lehibe ny vita tamin’ny famotehana ireo basy ireo ary inoana ny mba hijeren’ny tompon’andraikitra ny tena fototry ny olona.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici