Tambazotra mpangalatra môtô hikoizana indray no ravan’ny zandary avy eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Imerina Central, ny herinandro lasa teo. Voasambotra tetsy Analakely ry zalahy, raha teny amin’ireo tanana manamorona lalam-pirenena faharoa iny no fanaovan-dry zalahy ny « opération »
Miisa efa-dahy izy ireo no voapaingotry ny zandary ary tao anatin’izay ny ati-doha mpikotrika izany fangalaràna moto izany. Nandritry ny fisavàna ny tranon’izy ireo tsirairay avy, hoy hatrany ny fampitam-baovao azo no nahitàna anton-taratasina môtô marobe. Izany hoe, toy ny omby nangalarina ireto kodiaran-droa ireto : efa voadio sy mahazo taratasy hafa indray rehefa tonga eny am-pelan-tanan’izy ireo.
Niainga tamin’ny fitoriana, mahakasika ny fandrobana môtô teo anelanelan’Ambatolampikely sy Malaza, samy ao amin’ny kaominina Ambanitsena, amin’iny lalam-pirenena faharoa iny fanadihadiana nataon’ireo tompon’andraikitra nahafahana nandrava ity tambazotra ity, ny voalohandohan’ny volana teo. Nanomboka teo moa ny fikarohana ilay kodiaran-droa very. Tapa-bolana mahery taty aoriana, ny herinandro lasa teo, nahazo angom-baovao ny zandary fa misy mampiasa etsy Analakely, tsy tahotra tsy henatra ilay môtô very. Nanao ny fidinana ifotony avy hatrany ny zandary ary hita teny tokoa ilay izy. Nosamborina avy hatrany ireo olona nampiasa ilay fitaovana izay fantatra fa olona mpividy fotsiny, izany hoe nividy halatra. Rehefa natao ny famotorana azy ireo dia tafakatra tany amin’ilay olona nividianana azy ny raharaha. Olona izay tsy izay fa tompon’antoka tamin’ilay halatra, raha ny fampitam-baovao azo. Taty afara dia nisy olona iray naman’ity farany ihany koa nosamborina. Efatra araka izany izy ireo no notanana sy natao famotorana eny anivon’ny biraon’ny zandary ao Ankadilalana, miandry ny fanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana. Mety mbola misy naman’izy ireo any ho any, ary efa ao anatin’iny fanadihadiana mahakasika izay ireo zandary
m.L