- Publicité -
jeudi, septembre 10, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalakely : Mpanendaka roalahy nosamborin’ny polisy

Analakely : Mpanendaka roalahy nosamborin’ny polisy

Mpanendaka roa no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny Unité d’Intervention Rapide (UIR) Tsaralalana, ny alarobia alina. Tamin’io fotoana io, nisy lehilahy iray voaendaka tsy lavitra ny lapan’ny tanana. Handeha hody ity olona ity no sendra bandy dimy lahy. Voahambana antsy teo amin’y kibony ilay lehilahy. Tsy afaka nihetsika ary lasan’ireo jiolahy telefonina, lakilen’ny fiara ary ny vola. Tamin’izay fotoa izay indrindra anefa no nandalo ny polisy nanao fisafoana. Raikitra ny fisamborana ka ny roa ihany no tratra fa ireo telo tafatsoaka. Fa talohan’izay, tokony ho tamin’ny 2 ora sy 10 minitra, lehilahy iray hafa ihany koa voaendaka teny akaikin’ny ambasady frantsay. Voasakana ary voaambana antsy teo amin’ny kibony ilay olona. Tsy sarotra ho an’ireo mpanendaka ny naka ny telefaonina sy ny vola tany aminy. Tsy sahy nandeha nody intsony ilay voaendaka noho ny tahotra fa niandry teny akaiky teny amin’ny toerana be olona. Nony kelikely anefa, nahita olona nitangorona teo aminn’y coco be izy ary nahare fa nisy mpanendaka voasambotra. Rehefa tonga nijery ilay rangahy dia tadidiny ny iray tamin’ireo jiolahy izay nanambana antsy azy. Mbola tratra teny amin’ireo roalhay tratra ireto ny antsy lavalela roa sy finday iray. Nentina nohadihadiana ta tao amin’ny SUT Tsaralalana izy ireo. Omaly no natolotra ny Fampanoavana.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici