- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalakely : Mpivarotena 74, nitory an’i Jimmy noho ny fanolanana

Analakely : Mpivarotena 74, nitory an’i Jimmy noho ny fanolanana

Jimmy sy ny basy fampiasany handrahonana ireo mpivarotena.
Jimmy sy ny basy fampiasany handrahonana ireo mpivarotena.

Entiny amin’ny hotely ny mpivarotena izay ataony lasibatra. Ambanany basy rehefa tafiditra ao ary tereny hanao firaisana amin’ny fomba hafahafa. Mitovy hatrany ny fisehoan’ilay herisetra; izay ataon’ity lehilahy antsoina hoe Jimmy ity. Amoahany basy ilay vehivavy ary rahonany hotifirina amin’izany, raha tsy manaraka ny ataony. Raha ny fitantaran’ireo mpivarotena marobe izay efa tratrany, dia any amin’ny faritra aoriana no hanatsofohan’i Jimmy karazan-javatra izay efa entiny. Zava-maranitra sy plastika izany, raha araka ny fijoroan’ireo vehivavy ho vavolombelona hatrany. Nisy mihitsy aza ny mpivarotena izay efa namoy ny ainy noho izany, raha araka ny fanazavan’i Diams, lehiben’ny fikambanan’ny mpivarotena; izay nitarika ny fitoriana an’i Jimmy ihany koa. Tany Soavina no nitrangan’izany rehefa nalaina teo Analakely ilay vehivavy. Tamin’ity tranga farany izay nahatrarana an’i Jimmy ity, dia niainga tamin’ny fahitàn’ny polisy manao fisafoana ramatoa mpivarotena iray ;izay nitomany teo amin’ny sisin-dàlana ny fanadihadiana, ny alin’ny alakamisy teo. Rehefa nanontaniana io dia nitantara izay nanjo azy. Soa fa mbola tsy lasa lavitra ilay fiara nentin’i Jimmy. Nosakanan’ny pôlisy avy hatrany ary nosavaina ny taratasin’ny fiara. Teo dia hita fa tsy nitovy ny anarany tao amin’ny kara-panondro sy tao amin’ny taratasy fahazoan-dàlana hamily. Nitohy ny fisavana ny fiarany ary tena hita tao tokoa ny basy poleta, marika Beretta, 9mm. Nambaran’ilay mpivarotena, fa tena io Jimmy io mihitsy ilay nanao herisetra taminy. Tonga ihany koa ny mpivarotena hafa; izay nahafantatra avy hatrany ity lehilahy monina etsy Antaninandro ity, raha araka ny fanazavan’ny pôlisy. Niaraka nitory azy avokoa ireo mpivarotena  74. Niaiky ny helony, raha ny filazan’ny pôlisy i Jimmy. Niaiky ihany koa izy, fa miovaova fiara mba tsy hahafantaran’ny mpivarotena azy. Tsy manana “permis de conduire” akory anefa izy ao anatin’izany rehetra izany.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici