- Publicité SW45 -
jeudi, avril 18, 2024
AccueilFaits-DiversAnalakely : Mpivarotra amoron-dalana voadonan’ny fiara, raikitra ny sakoroka

Analakely : Mpivarotra amoron-dalana voadonan’ny fiara, raikitra ny sakoroka

Horakoraka, filaharam-be, tora-bato … raikitra indray ny sakoroka omaly tetsy Analakely, nataon’ireo mpivarotra amoron-dalana. Vokany lehilahy iray no naratra mafy sy voatery nentina haingana teny amin’ny hôpitaly. Olona telo hafa kosa no nentin’ireo mpitandro filaminana.

Amin’ny valo ora sy sasany. Manomboka miha-mifanaretsaka ny olona teny Analakely. Manokatra ny fivarotany ireo tsena isan-karazany. Mody mitampifipify maka zorozoron-drinina eny kosa ireo mpivarotra amoron-dalana mamelatra ny entan-keliny. Toy ny mahazatra, hatramin’izay ka hatramin’ny nisian’ilay fanadiovana nataon’ny kaomina dia mifanao  fangalam-piery sy mifanenjika eny foana ireo mpiasan’ny kaomina sy ireto mpivarotra ireto. Tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany teo ho eo, teny am-pitsoahana ilay fiara mangan’ny pôlisy monisipaly anefa no sendra ny fiara tsy mataho-dalàna iray nipoitra tampoka, teo akaikin’ny Sicam teo ny tovolahy iray mpivarotra, mbola misakelika ireo entana nentina nitsoaka. Tsy nahatazana velively an’ilay fiara ity farany ka tsy afaka nialàna ny loza. Voafaokan’ity fiara ity ilay tovolahy ka nipitika. Voa mafy tokoa, raha ny filazan’ireo nanatri-maso. Tapaka ny tongony havia ary torana tsy nahatsiaro tena ny lehilahy. Novonjen’ireo namany nentina haingana tany amin’ny hôpitaly kosa ity niharan-doza ity. Hatramin’ny omaly hariva, raha ny fanazavana azo teo anivon’ireo mpitandro filaminana, dia efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ity lehilahy ity ary efa tsy misy atahorana ny ainy.

Fa tetsy ankilan’izay anefa, tamin’ny fotoana nisian’ny loza, nahita izany iretsy pôlisy monisipaly tao anatin’ilay fiara manga, ka nirifatra nitsoaka, hoy ny filazan’ireo olona. Nifamadika indray ny rasa teo, satria ilay nanenjika teo aloha, lasa nenjehina indray. Nifanenjahan’ny olona tokoa mantsy ity fiara nitsoaka ity. Niatomboka teo ny sakoroka. Tao anatin’ny fotoana fohy dia rakotra olona teny an-toerana. Velona ny akoralava, ny horakoraka sy ny tariny. Mahavariana ihany koa fa vetivety teo efa nisy nahavita –sa efa niomana- namoaka sy nilanja sora-baventy, nihazo iny araben’ny fahaleovan-tena iny. Tonga teny an-toerana avy hatrany, tahaka ny mazatra ihany rehefa misy andian’olona mivorivory ireo mpitandro filaminana, niezaka nifehy izany sakoroka izany. Tsy nilamina tanteraka moa izany raha tsy ny tolakandro teo. Fa tao anatin’izay ihany koa anefa, nisy tovolahy maromaro no nifamaly vava sy nikasi-tanana mpamily fiarakaretsaka teny an-toerana. Raha ny fantatra dia hoe nifandona ny fiara izay nentin’ireto tovolahy telo ireto sy ny an’ilay taxi. Efa niakatra izay tsy izy teny moa ny mari-panan’ireo olona. Efa saika nitodika tany amin’izy telo lahy ireto indray ny hatezeran’ny olona raha tsy tonga naka sy nitondra azy ireto ireo mpitandro filaminana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici