- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalakely : Vazaha nitifitra big boss mpamily taxi

Analakely : Vazaha nitifitra big boss mpamily taxi

Omaly antoandro no nisehoan’ny raharaha tetsy Analakely, tsy mifanalavitra amin’ny hopitalin’ny ankizy. Tao anatin’ny fitohanana sy ny hain’andro no niakatra tanteraka ny hatezerana teo amin’ny vazaha iray sy mpamily fiarakaretsaka iray. Ny antony dia satria nilaza ilay vahiny fa voadonan’ilay taxi. Ny mpamily an’io fiara io kosa anefa dia nanda an’izany ary saika hanazava aza izy ka nivoaka ilay taxi nentiny, kanjo notifirina big boss avy hatrany. Nivadika tanteraka ny fandehan’ny raharaha teo satria hitan’ny olona rehetra nivezivezy sy nampiasa ny lalana ny zava-nitranga. Nitarika ny hatezeran’ny olona izany ary efa saika nisy ny niditra an-tsehatra hiaro ilay mpamily taxi na koa hidaroka ilay vahiny. Soa ihany fa tsy nifanalavitra firy ny biraon’ny kaomisaria etsy Analakely ilay toerana hany ka vetivety dia ren’ny pôlisy ny zava-nitranga. Nidina an-tsehatra avy hatrany ireo farany ary raha vao nahita fa nisy fitangoronana sy ny mikasa ny hanararaotra, dia avy hatrany dia nesorina teo an-toerana ny roa tonta ary nentina tao amin’ny kaomisaria. Samy nohenoina ilay vazaha sy ilay mpamily fiarakaretsaka ka rehefa nifanazava teo dia niara-nanapakevitra ny tsy hitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana. Niravona teo izany ny fifanolanana teo amin’ny roa tonta. Endrika iray izay manazava ny toa izao fa tsy misy fifanajana intsony eto an-drenivohitra. Raha vao misy ny tsy fifankahazoana kely dia herisetra avy hatrany no vokatr’izany. Rehefa any amin’ny kaomisaria na koa any amin’ny fampanoavana vao manenina ary manao izay fomba rehetra handaminana ny raharaha mba tsy ho lasa lavitra. Mateti-pitranga ny toa izany, ary mahakasika olona ambony aza indraindray.
D.R.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici