- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalakely : Zaza tsy ampy taona manendaka sy mamaky fiara

Analakely : Zaza tsy ampy taona manendaka sy mamaky fiara

Analakely amin’ny alina, ambohi-pihaonan’ireo mpanala hamohamo, ny mpivarotra isan-karazany, ireo mpirevy, sns. Fa ao anatin’ireo ihany koa anefa ireo tontakely. Ary tena araka ny anarany tokoa. Ny talata lasa teo mantsy, dia mpanendaka sy mpamaky fiara 12 no voasambotry ny pôlisy. Araka ny fampitam-baovao avy amin’izy ireo, dia saika ankizikely, tsy ampy taona avokoa  ny valo tamin’izy ireo, ary telo kosa ny vehivavy. Amin’ny alina izy ireo no tena “miasa”, amin’ilay mahabetsaka olona mirevy iny. Na fanendahana ireo olona sendra tafasaraka amin’ny namany, na famakiana ireo fiaran’ireo olona tsy misy mpiambina eny an-toerana. Tato ho ato tokoa mantsy, araka ny fanazavana azo dia maro ireo fitarainana tonga eny am-pelan-tanan’ny mpitandro filaminana, mahakasika ity tranga iray ity. Betsaka tokoa ireo olona no very: solosaina, vola, kitapo, finday sy zavatra maro sarobidy hafa, rehefa sendra mijanona eny Analakely amin’ny alina. Rehefa nidina nanao fisafoana tampoka ireto farany no nahasambotra ireo kilonga olon-dratsy ireto, ary mazava ho azy fa nanondro ireo mpaniraka azy ihany koa izy ireo. Ny sasany tamin’ireo ankizy ireo no efa nanarina teny amin’ny “zaza maditra”, ny sasany tamin’ireo lehibe kosa dia fantatra fa efa nigadra teny Antanimora. Ny sabotsy lasa teo izy ireo nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
355,680FansAimer
2,515AbonnésSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici