Marefo tanteraka ny fiainam-bahoaka ao amin’ny fokontany Analakininina Hopitaly Be P/elle 12/21-22, araka ny fitarainan’ireo ray aman-dreny sy zokiolona ao amin’ity fokontany ity. Fantatra fa ny lafiny filaminam-bahoaka sy fandriam-pahalemana amin’ny resaka vaky trano saika isaky ny alina, tsy mandingana andro iray fa saika isan’andro sy isaky ny alina dia misy hatrany ny tranga miseho amin’ity vaky trano ity. Misy ihany koa ny tranga halatra lamba mihahy ivelan’ny fefy sy halatra akoho amam-borona ihany koa.
Raha ny tranga telo heverina fa goavana amin’ity resaka vaky trano ity, dia teo aloha ny tokantrano ireny teo akaikin’ny kianja fanaovam-baolina tao amin’ny fokontany, very tamin’izany ny lelavola sy finday maromaro ary fahitalavitra fisaka sy solosaina samy hafa, ny antoandron’ny alahadin’ny Pantekosta. Ny faharoa tamin’izany, tokantranon’ny zandary misotro ronono monina ao Amorikanaly, ka fanitso sy vy tao anaty fefy efa tafavoaka tety an-dalam-be no nisy nahatsikaritra ka raikitra ny fifanjevoana ny alin’ny talata nifoha ny alarobia 15 jona. Tamin’io alarobia io ihany, tao amin’ny Cite-ny tafika, nitrangan’ny vaky trano ihany koa, ka very tamin’izany ny fahitalavitra fisaka sy “panneaux solaires” ary finday avolenta miisa dimy. Teo koa ny vola an-tapitrisany, raha ny angom-baovao natao. Vokatr’ izany dia niantso zandary sy alika mpitsongo dia an’ny orinasa tsy miankina iray ny niharam-boina, saingy andrasana izay mety ho vokatr’izany. Ankaotra izany tao amin’ity fokontany ity hatrany, renim-pianakaviana iray hamonjy fodiana avy niasa no nisy nanendaka teo anelanelan’ny fefin’ny hopitaly be sy moron-ny “canal”, ny alin’ny alatsinainy 13 jona tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany hariva. Very tamin’izany ny poketra sy firavaka ary ny finday.
Ankoatra izany koa dia renim-pianakaviana sy ny zanany vavy niverina avy nanatitra sakafo ho an’ny marary teny amin’ny hopitaly be no voaroba. Very tamin’izany ny harona nisy ny lovia sy lamba maloto ary finday teny amin’izy ireo. Nanambara vokatr’izany ireo ray aman-dreny sy ny zolikolona fa tena marefy tanteraka ny tsy filaminana ao amin’ity fokontany Analakinina hopitaly be ity. Ny olana amin’izao raharaha izao dia mety hitranga ao amin’ity fokontany ity ny fitsaram-bahoaka mety hataon’ny fokonolona, satria tsy vonona amin’ny fametrahana ny andrimasom-pokonolona ny filoham-pokontany.
Malala Didier