- Publicité -
vendredi, octobre 2, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalamahitsy : « Cash point » may, kila ny vola 2 tapitrisa ariary

Analamahitsy : « Cash point » may, kila ny vola 2 tapitrisa ariary

Nitrangan’ny hain-trano goavana teny Analamahitsy ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo. Tokony ho tamin’ny 9 ora alina mahery 40 minitra tany no nitranga ny loza, izay nahalevona tanteraka ilay trano. Araka ny fantatra dia niainga avy atao amin’ny efitrano iray fanaovana « cash point » ny afo ary nitatra tao amin’ny efitra iray, nandevona tanteraka ireo entana rehetra tao. Raha ny fampitam-baovao azo dia nisy lelavola 2 tapitrisa ariary ihany koa may kilan’ny afo tao anatin’izay loza izany.

Araka ny angom-baovao azo dia fatana fatapera fanaovana maskita sy pakopako no niandohan’ny afo. Napetraka tao amin’ity efitra fanaovana « cash point » ity io fatana io. Ankevitry ny tsy maty tsara angamba ny afo, izay nahazo zavatra mora nirehitra tao amin’ilay efitra. Vetivety dia nitatra indray ka nahazo ny efitra nifanila taminy, izay voalaza fa fivarotana charbon sy legioma. Na dia teo aza ny famonjena nataon’ireo mponina sy ny mpamonjy voina, izay tonga haingana teny an-toerana, dia tsy nisy noraisina intsony ny entana tao amin’ireo efitra roa ireo. Voafehy malaky moa ny afo araka ny vaovao azo hatrany, satria dia 15 minitra taorian’ny fahatongavan’ny mapmonjy voina dia maty sy voafehy tanteraka izany. Tsy nisy ny naratra na ny namoy ny ainy tamin’ity hain-trano ity saingy ny fahasimban-javatra no goavana. Teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy sy niezaka niaro ireo sisa entana avotra tamin’ity hain-trano ity ary hisorohana ny mpanararaotra moa ny teo anivon’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo eny Analamahitsy. Nampahatsiahy ihany koa izy ny amin’ny tokony hitandremana tsara amin’ny resaka afo, indrindra fa hiditra amin’ny vanim-potoana main-tany isika izao.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici