- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversAnalamahitsy : MD iray volana ilay mpanendaka dia niasa indray

Analamahitsy : MD iray volana ilay mpanendaka dia niasa indray

Basy kilalao no fampiasany amin’ny asaratsiny¸

Notsipihan’ny polisy ihany ny fahasahiranan’izy ireo, manoloana ny fisian’ny mpanendaka izay voasambotra kanefa dia miverina miriaria indray fotoana fohy aorian’izany. Ity iray tetsy Analamahitsy no tena tranga manamarina an’izany. Iray volana monja tany am-ponja, izany hoe naiditra am-ponja vonjimaika, satria tsy mitombina mihitsy izany hoe sazy an-tranomaizina iray volana izany raha amin’ny resaka sinto-mahery ; izay tsaraina eo anivon’ny fitsarana ady heloka tsotra. Taiza indray ny lesoka momba ity raharaha ity ? Ahoana no nampiriaria sahady ity mpanendaka ity, io farany izay niverina avy hatrany nanao ny asaratsiny. Momba izay indrindra, nampiasa ny basy kilalaony izy ary nandrahona avy amin’ny alalan’izany ny olona izay nataony lasibatra. Tao anatin’ny haizina dia sarotra ny hamantatra ny basy kilalao sy ny tena izy, tsy ny olon-drehetra rahateo no mahavita izany. Vokany, dia tsotra ho an’ilay olon-dratsy ny manatontosa ny asany. Tsy vitan’izany aza fa mbola darohany koa ny olona rehefa azony izay nilainy. Lehilahy iray izay hamonjy fodiana any Ambatomainty ka nandalo teo Analamahitsy no nataony lasibatra tamin’ity indray mitoraka ity. Lasa ny vola mitentina iray tapitrisa ariary sy ny finday. Soa fa mbola nanana finday faharoa ilay lehilahy ary io no nahafahany niantso ny polisy izay mba tao anatin’ny lisitry ny larahana tao aminy ny nomeraon’ny mpitandro ny filaminana izay voalaza. Noho izany hafainganana rehetra izany, dia tonga ara-potoana teo ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria. Narahina ny mety ho lalan’ilay mpanendaka ary dia tena tratra tokoa, tsy lasa lavitra teo. Natao ny fisamborana ary rehefa nojerena ny tarehiny, dia tsy zoviana amin’ny polisy akory. Vao iray volana mantsy no naterina teny Antanimora io farany rehefa voasambotra sy natolotra ny fampanoavana. Mbola tratra teny aminy ny basy izay fampiasany, basy kilalao. Torak’izany koa ireo entana sy vola izay vao avy nendahana. Tsy afaka nandà ny heloka izay nataony arak’izany ilay olon-dratsy. Asa, hijanona firy volana any am-ponja indray izy amin’ity indray mitoraka ity. Rariny loatra raha tsy taitra amin’izany famonjana izany intsony ny mpanendaka raha toy izao. Raisin’izy ireo ho toy ny fialan-tsasatra…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici