- Publicité SW45 -
lundi, mai 13, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalamahitsy : Moto nifandona nahafaty olona

Analamahitsy : Moto nifandona nahafaty olona

Nifandona tao anaty haizina ny kodiaran-droa tetsy Ambodimanga-Analamahitsy. Ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo no nisehoan’izany. Teo ihany dia namoy ny ainy ny mpanamory iray izay nandeha irery. Ny an’ny kodiaran-droa faharoa indray dia samy naratra mafy izy roa reo amboniny ary nentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly. Mbola arahi-maso akaiky ny fahasalaman’izy ireo. Olana hatrany eny amin’ny tanan-dehibe ny kodiaran-droa, indrindra ny « scooter » izay kely fa matanjaka loatra ny heriny hany ka mora mianjera raha sendra olona tsy mahafehy tsara azy. Izany eo ihany fa kosa ny fotodrafitr’asa toa ny làlana dia manasarotra ny fifamoivoizan’izy ireny. Ankoatra ny tsy fisian’ny làlana manokana ho an’ny kodiaran-droa dia mbola tery koa ny làlana eto amintsika. Manampy trotraka an’izany rehetra izany ny fahasimban’ny làlana izay matetika raha vao miala lavaka ka mandeha mafimafy dia mety ho mifatratra any amin’ny zavatra hafa. Izany rehetra izany no mitambatra dia mitera-doza matetika sy mitarika fahafatesana misesy. Eto amintsika dia ny lozam-pifampivoizana ateraky ny kodiaran-droa scooter no betsaka indrindra eto an-drenivohitra. Tsy afa-miala amin’izany intsony anefa ny ankamaroan’ny olona izay nisafidy ny mampiasa azy noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana sy ny vesatry ny vidin’ny solika raha mampiasa fiara. Raha mandeha fiara fitareram-bahoaka indray dia vao mainka tara amin’izay hatao no sady tsy mahazo aina. Mbola ezaka lehibe arak’izany ary mila fotodrafitr’asa tena isainana raha tiana ny hampidina ny lozam-pifamoivoizana vokatry ny fampiasàna kodiaran-droa scooter.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici