- Publicité -
dimanche, mai 25, 2025
AccueilFaits-DiversAnalamahitsy : Nofatoran’ny jiolahy mitam-basy ny olona tao an-trano

Analamahitsy : Nofatoran’ny jiolahy mitam-basy ny olona tao an-trano

Tao amin’ny tokantrano iray izay mpitatitra ny asan’ny raim-pianakaviana, no nandalovan’ny olon-dratsy ny alin’ny alakamisy teo. Tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany  alina izy ireo no nigadona tao amin’ilay toerana ary nianika tamboho. Fantatra tamin’ity tranga ity fa nopoizinina ny alika teo an-tokontany. Rehefa maty izany dia nopitsohan’ireo amin’izay ny varavarana. Tsy tao ny ray aman-dreny fa ny zanany vavy sy ny sakaizany no niambina ilay trano. Nofatorana ireo ary nalaina tamin’izay ny entana lafo vidy. Ny voalohany tamin’izany dia ny firavaka teny am-bozon’ilay tovovavy. Lasa ihany koa, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana, ny finday. Tsy nijanona teo ireo olon-dratsy fa mbola nibata ny kojakoja maro toa ny solosaina azo entina mandehandeha koa. Tao anatin’ny fotoana fohy no nanatontosan’ireo olon-dratsy izany rehetra izany ary tsy nisy nisaron-tava izy ireo. Miisa telo, raha kely indrindra, araka ny fantatra no tomponandraikitra tamin’ity fanafihana mitam-piadiana ity. Isan’ny fomba fanaon’ny olon-dratsy ankehitriny ny manapoizina ny alika aloha rehefa hanafika. Matetika dia ataony iray andro mialoha izany satria isan’ny manelingelina voalohany ny alika mpiambin-tanàna. Tamin’ity indray mitoraka ity kosa dia nandritry ny fanafihana mihitsy no nanapoizinana ny alika. Asa efa misy manara-maso koa angamba ary fantatr’ireo fa mora kokoa ny mamono io biby io noho ny hafa. Matetika mantsy efa misy koa ireo voafolaka ka tsy mety mihinana izay hanina omen’ny olon-kafa. Raha izay no izy, arahin’ny jiolahy maso hatramin’ny toetry ny alika izany, entina hitenenana hoe tena efa vitany kajy mihitsy ny fanafihana…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici