Tovolahy iray 19 taona no voatery nosamborin’ny polisy tetsy Analamahitsy, omaly ary natolotra avy hatrany ny sampan-draharaha misahana ny ady amin’ny heloka bevava. Ny hanenjehana azy : herisetra nitarika tamin’ny fahafatesana, fandrisihana olona hanala zaza …
Tranga nampivarahontsana tokoa no nitranga teo Analamahitsy tanana ny andron’ny talata alina teo. Tovovavy iray manodidina ny 20 taona no hita naratra mafy sy nila famonjena ka voatery nentina nihazo toeram-pitsaboana. Raha ny voalaza niharan’ny herisetra avy tamin’ny sakazainy ity tovovavy ity. Ny antony ? Mitoe-jaza izy kanefa mbola tsy vonona amin’izany ingahy. Nasain’ity farany nesorina io zaza io vao mitsaika io fa tsy nakaiky ilay vehivavy. Raikitra ny fifamaliana ary tsy nisalasala nampiasa hery ranamana. Nivoa-drà rakalakely ary io nitalaho nila vonjy teo anoloan’ny tranony io ary hitan’ny mponina. Nanao izay vitany ny mpitsabo saingy indrisy fa tsy tana ny ain’izany tovovavy izany, omaly, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy.
Herisetra mianjady amin’ny vehivavy, vono olona, fanalàna zaza … niditra an-tsehatra avy hatrany ny polisy ary nisambotra ity tovolahy ity, izay niaiky ny heloka vitany. Notanana avy hatrany natao andrimaso ny lehilahy ary ao anatin’ny famotorana azy tanteraka moa ny polisy ny BC amin’izao. Hatolotra ny Fampanoavana kosa ny raharaha aorian’izay. Miandry azy ny sazy henjana.
Tsara marihana fa ny herisetra aloha dia efa voararan’ny lalàna, voarakitra ao anatin’ny lalàna miady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy mahavavy. Nivadika heloka bevava anefa raha nitondra any amin’ny fahafatesan’ilay niharan’ny herisetra, araka ny fehezan-dalàna famaizana. Ny fanalàna zaza ihany koa dia torak’izany.
m.L




