- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnalamahitsy : Roa vavy nahatrarana « heroine » aman-tapitrisany

Analamahitsy : Roa vavy nahatrarana « heroine » aman-tapitrisany

Manodidina ny 55.000 ariary teo ho eo no hivarotan’izy ireo ny iray grama amin’izany rongony mahery vaika izany. Mbola nahatratrarana rongony teo amin’ny 24 grama teo ho eo tany amin’ireto vehivavy roa, tamin’ny fotoana nisamborana azy ireo teny amin’iny faritra Analamahitsy, ny alakamisy lasa teo.

Manao dingana lehibe tokoa ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika, raha ireo vokatra azon’ireo pôlisin’ny « stup » no jerena. Ny alakamisy lasa teo tokoa mantsy dia olona azo lazaina fa « mpamongady kely » no tra-tehaka. Ny tena mahavariana dia vehivavy izy ireo : roa vavy raha ny fampitam-baovao azo. Niainga tamin’ny fisamborana lehilahy iray nivarotra « heroine » teny amin’iny faritra CEG 67ha ny fanadihadiana rehetra. Ity farany moa izay voasambotra ny alakamisy maraina, rehefa nisy ny angom-baovao azon’ireo pôlisy. Mbola nahitàna heroine milanja eo amin’ny 5 grama teo tany aminy. Nilaza ity farany fa alain’ny amin’ny olona eny Analamahitsy amin’ny vidiny 55.000 ariary izy io ary hamidiny indray 65.000 ny iray grama. Teo ihany moa dia nitohy ny famotorana. Tonga tamin’ny fisamborana ireo mpamatsy azy, teny Analamahitsy rehefa nanaovana velam-pandrika, tamin’ny alalan’ity lehilahy ity izay natao jono. Tamin’io andro io ihany moa izany, ny hariva, tokony ho tamin’ny dimy ora teo. Mazava ho azy fa tafiditra soa aman-tsara tao anatin’ny haraton’ireo pôlisy ireto mpamatsy azy, satria raha ny fantatra dia efa mpanjifa ao amin’izy ireo foana. Tany amin’ireto mpamatsy roa vavy ireto no sarona ilay « heroine », milanja teo amin’ny 24 grama latsaka teo. Ireto farany indray izay milaza fa any Nosy Be no fangalàn’izy ireo entana. Efa nentina teo anoloan’ny Fampanoavana moa ireto mpanaparitaka rongony mahery vaika ireto ary samy nadoboka eny Antanimora vonjimaika avokoa.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici