Ny sabotsy lasa teo no nisehoana vaky trano indray teny amin’ny faritra Analamahitsy, tokony ho tamin’ny 11 ora alina teo . Araka ny loharanom-baovao voaray dia trano iray lehibe no lasibatr’ireo jiolahy tamin’io andro io. Tsy nisy navelan’ireto jiolahy avokoa ireo entana tao an-trano fa dia nobatain’izy ireo daholo. Ireto tompon-trano kosa tsy fantatra na resin-tory tanteraka ka tsy nahatsikaritra na inona na inona, eny fa na dia ny feo nandeha aza , tsy nisy naheno ny tao an-trano. Rehefa natao ny fanadihadiana dia lehilahy iray sahabo eo amin’ny 30 taona eo, izay eo akaikin’ny trano fonenana ihany no voampanga tamin’ity resaka vaky trano ity , izay voalaza fa tsy tao an-trano tamin’ny andron’ny vaky trano. Etsy andaniny dia manda avy hatrany ny fiampangana azy ity lehilahy ity, ary nilaza izy fa niandry faty tany amin’ny fianakaviana tamin’io andro io. Tsy nanaiky kosa ireto mpitory , sy tompon’ireto entana maro izay very, fa dia nampiakatra ny raharaha teny anivon’ny fitsarana , etsy Anosy. Omaly tamin’ny 11 ora antoandro ity rangahy ity no niakatra ny fampanoavana.
FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)