- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAnalamalotra Toamasina Suburbaine : Tsy misy mitsoaka izany eny, hoy ny governora Atsinanana

Analamalotra Toamasina Suburbaine : Tsy misy mitsoaka izany eny, hoy ny governora Atsinanana

Lasa nampisy resa-be eto Toamasina ny filazana fa misy mitsoaka ny eny Analamalotra amin’izao. Nilaza anefa ny governoran’ny faritra Atsinanana fa tsy misy izany eny, fa manaja ny fepetra napetraka ireo olona marary tsy misy sorotr’aretina napetraka eny. Nomarihan’ny governoran’Atsinanana hatrany fa natao ity ivontoerana ity, tsy hoe hanagadrana olona akory, fa hitsaboana ireo marary tsy misy soritraretina. Mitovy amin’ny “foyer social Canada” sy Crjs gymnage ity ivontoerana ao Analamalotra ity, izay mahazaka olona an-jatony amin’ny fandriana ambony ambany. Milaza ny any an-toerana fa misy fitsoahana any amin’izao, nanadiso izany ny governora fa tsy misy mitsoaka izany ireo olona hazonina ao anatiny izany. misy mpitandro ny filaminana eny manara-maso ny manodidina, misy mpitsabo misahana ireo marary ara-panafody, misy mpitantana ny rano ho an’ireo fanafody omena ireo marary, ankoatra ireo mpisahana ny sakafo eny, hoy ny governora tamin’ny teniny ka tsy hitako izay tokony hitsoahan’ny olona eny, hoy hatrany ny governoran’Atsinanana. Nolazain’ny governora hatrany fa tsy manana eritreritra hitsoaka izany ny olona eny Analamalotra, araka ny teniny. Misy izay ilaina rehetra koa eny, hoy hatrany ny governora, ka anjaran’ny tsirairay ny misafidy an’izany rakaraka ny filany.

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici