- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversAnalanjirofo : Fahatsiarovana ny 29 martsa, firaisan-kina ho an’ny fitiavan-tanindrazana

Analanjirofo : Fahatsiarovana ny 29 martsa, firaisan-kina ho an’ny fitiavan-tanindrazana

Hiaraha-mahalala fa tany amin’iny tapany Atsinanan’ny Nosy iny no tena nahery vaika ihany koa ny tolom-panafahana nataon’ireo Maherifon’ny firenena ny andron’ny 29 Martsa 1947. Tsy nanadino izany ary nanao izany ho fahatsiarovana manokana mihitsy ny tao amin’ny faritra Analanjirofo, ny alarobia teo. Natomboka tamin’ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana ny fahatsiarovana, hoy ny vaovao izay, natao tao amin’ny renivohitry ny faritra. Tonga niatrika ny fotoana tamin’izany ireo manam-pahefana sivily sy miaramila notarihin’ny Lehiben’ny fileovana tany an-toerana ary notronin’Atoa Goverinoran’ny faritra Analanjirofo, ny Dr Randriamanantena Marcellin. Nitohy tamin’ny fametrahana fehezam-boninkazo teny amin’ny Fasan’ireo maherifo, teny Bazary Kely tao Fenoarivo Atsinanana izany. Mbola nahitàna mpitolona vitsivitsy, akanga sisa nanamborana moa tany amin’iny faritra iny ary nasaina manokana, nanotrona ity lanonana fahatsiarovana ireo maherifon’ny Firenena ity. Atao ahoana tokoa moa hanadino azy ireo amin’ny vanim-potoana tahak’izany. Araka ny fantatra dia nanome fanomezana manokana azy ireo ny Raiamandrenin’ny faritra. Solombodiakoho sy fisaorana ireto Raiamandrenibe ireto, nahavita be teo amin’ny firenena. Niisa valo izy ireo, raha ny fampitam-baovao, mbola velon’aina tao amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici