- Publicité SW45 -
jeudi, avril 18, 2024
AccueilFaits-DiversAnalanjirofo - Fananan-tany : Kara-tany 197 nozaraina tao Mahambo

Analanjirofo – Fananan-tany : Kara-tany 197 nozaraina tao Mahambo

Anisan’ny olana goavana mbola miteraka disadisa eny anivon’ny fiarahamonina ny resaka ady tany. Raha ny eto Faritra Analanjirofo manokana dia niha-nahazo vahana izy io, hoy ny fanazavana azo. Ny toe-javatra tahak’izany indrindra no hikatsahan’ny fitondrampanjakana vahaolana amin’ny alalan’ny kara-tany. « Zavadehibe amin’ny fivelomantsika ny karatany, izay mitovy amin’ny Kopia sy Karapanondro izy ary mamaly ny velirano faha-12 an’ny Filohampirenena Andry Rajoelina » hoy ny Governoran’Analanjirofo, Dr Randriamanantena Marcellin.

Ny faran’ny herinandro teo tokoa mantsy no nanokafana ny lanonana fanomezana kara-tany ho an’iny faritra iny, izay natao tao kaominina Mahambo. Tonga nanokatra sy nanome voninahitra izany ny Ministra mpiahy ny faritra, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary, ny Jly Serge Gelle, niaraka tamin’ny Goverinoran’ny faritra ary ny Lehiben’ny fileoavana Fenoarivo Atsinanana. « Manadanja amin’ny fiainantsika ny tany. Ilaina araka izany ny karatany, hialana amin’ny ady tany » hoy ity Jly Serge Gelle.

Marihana fa kara-tany manodidina ny 2 roa tapitrisa isa any ho any no vinavinain’ny Fanjakana hozaraina hatramin’ny novambra 2023 ho avy izao. 86.000 isa amin’io ny an’ny faritra Analanjirofo.

Fitarainana

Fa amin’izay resaka ady tany izay, dia tonga nitsidika tany an-toerana ny Tale misahana ny fitarainana na ny « doléances » eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Ankoatry ny fihaonana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tokony tao an-toerana dia nisy ny fidinana ifotony tao Antetezampafana, kaominina Ambodimanga 2, ao amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, izay toerana hanorenana ny tetik’asan’ny Filoha. « Nambarana tamin’ny solotenan’ireo mponina manorimponenana ao fa ny asa katsahin’ny fanjakana foibe hatao amin’ity toerana ity dia atao laharampahamehana. Efa nojerena koa ny maha olona dia efa voafaritra mazava ny toerana homena ireo mponina mipetraka ao »

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici