- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversANALANJIROFO : Festival Tolo-pandragna : Nitondra aina vaovao ho an’ny Faritra

ANALANJIROFO : Festival Tolo-pandragna : Nitondra aina vaovao ho an’ny Faritra

Notontosaina ny herinandro lasa teo, ny 02 ka hatramin’ny 04 desambra, tao amin’ny renivohitry ny faritra Analanjirofo, ny andiany faharoa tamin’ny Festival Tolo-pandragna. Hetsika ara-kolontsaina, fa indrindra ara-ekônômika ho enti-mampahafantatra ny vokatra ara-toe-karena mampalaza ny faritra Analanjirofo sy ny ao Fenoarivo Atsinanana. <<Tolo-pandragna aigniny velon-tegna>> io no teny filamatra tamin’ity andiany faharoa ity. Marihana fa nahasarika olona maro, na ny teo an-toerana na ny ivelan’ny faritra izany hetsika izany. Tranoheva maromaro, izay nahitana ireo vokatra tany an-toerana  no nampirantiana nandritra ity telo andro ity. Koa satria hetsika heverina fa hitondra aina vaovao ho an’ny fampandrosoana ny faritra izany Tolo-pandragna izany, dia tonga nanome voninahitra ny fanokafana azy tamin’ny fomba ofisialy, ny mpitarika ny fampandrosoana any an-toerana, ny Goverinoran’ny faritra Dr Randriamantena Marcellin. Tsy nanadino velively ny faritra niaviany ihany koa tamin’izany ny Jly Serge Gellé, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary, no sady ministra mpiahy iny faritra Analanjirofo iny, izay tonga nanotrona izany fanokafana ny festival Tolo-pandragna izany. Teo ihany koa ireo olo-manankaja maro, vato nasondrotry ny tany avy any amin’iny faritra iny. « Ho lava velona ny Festival Tolo-pandragna hoy ny Governoran’ny Faritra Analanjirofo ary hanohana hatrany ny Faritra amin’izay tandrify azy » hoy ny fanazavana azo. 

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici