- Publicité SW45 -
jeudi, février 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnalanjirofo : Fianakaviana 2 294 nisitraka kara-tany 

Analanjirofo : Fianakaviana 2 294 nisitraka kara-tany 

Tokantrano amanarivony indray no nisitraka kara-tany tao amin’ny faritra Analanjirofo. Ankoatran’ny hafainganan’ny fomba fiasa dia tsy dia misy ny vola aloan’ireo mpisitraka ka nahavelom-bolo azy ireo izany. 

Ny faritra Analanjirofo indray no nisitraka ny hetsika fizarana kara-tany faobe. Misy amin’ireo mponina ao anatin’ity faritra ity  no efa nikarakara ny taratasy mahakasika ny tanin’izy  ireo nanomboka ny taona 1972 saingy tsy nahazo izany nohon’ny antony maro samihafa. Faly ireo mponina ary nanambara  izy ireo fa  maro ny tombontsoa azo tao anatin’ny hetsika manokana ny nanaovana ny hetsika  « iray volan’ny kara-tany » nokarakarain’ny fitondram-panjakana.  Zara raha misy vola aloa ary tena haingana ny fomba fiasan’ny ministeran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany raha ny fijoroana vavolombelona nataon’izy ireo. «Midina ifotony mihitsy ireo ekipan’ny ministera ireo manantona anay vahoaka ary tena afa-po amin’ny fikarakarana izahay. Roa andro ihanyh dia vita ny fikarakarana », hoy Clara, mponina ao Fenoarivo Atsinanana.  Araka izany dia fianakaviana 2294 no nisitraka kara-tany, ary titra  185 no nozaraina nandritra izany hetsika natao tao Analanjirofo izany. 

Fitaovana

Santatra ambavaranao ihany izao fa mbola hitohy ny fanomezana ny kara-tany ho an’ireo vahoaka ao anatin’ireo distrika maro amin’ny faritanin’i Toamasina. «  Tsy maintsy vita ny fanamby napetraka amin’ny fanomezana ny karatany ho an’ny vahoaka malagasy », hoy Ramaholimasy Pierre Houlder ,  minisitrin’ny  ny Fanajariana ny tany  sy ny fananan-tany . Nisy ihany koa ny fanomezana fiara tsy mataho-dalana hatao hitondrana marary miisa 3 ho an’ireo distrika ao  anatin’ny faritra Analanjirofo : Fenoarivo , Soanierana Ivongo ary Vavatenina.  Teo ihany koa ny fanomezana ny « moto » ho an’ireo ben’ny tanana izay mbola tsy nahazo tao anatin’ireo distrika ireo izay miisa 28. Tao anatin’izao hetsika iraivolan’ny kara-tany izao ihany koa no nanolorana ireo taratasim-bola ho entina hampandrosoana ny kaominina araka izay filana tadiavin’izy ireo avy amin’ny tetikasa  PIC3 sy kara-pokontany manara-penitra ho an’ireo vahoaka ao Analanjirofo hatrany. Raha tsiahivina dia tokantrano 2.000.000 manerana ny Nosy no kendrena hisitraka kara-tany hatramin’ny faran’ity taona ity. 

Narindra Rakotobe 

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici