- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversANALANJIROFO - Fisokafan’ny taom-piotazana lavanila : Tokony mbola ambony noho io efa napetraky...

ANALANJIROFO – Fisokafan’ny taom-piotazana lavanila : Tokony mbola ambony noho io efa napetraky ny fanjakana io ny vidiny

Ny Governora sy ny Talem-paritry ny varotra, nandrefy ireo lavanila.

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy lasa teo ny taom-piotazana sy fivarotana lavanila maitso ho an’ny faritra Analanjirofo, izay natao tao amin’ny fokontany Antsirakoraka, kaominina Maromitety, distrika Vavatenina. Lanonana izay nosokafan’ny Governoran’ny faritra, ny Dr Randriamanantena Marcellin, notronin’ireo olom-panjakana maro tao Vavatenina sy Fenoarivo Atsinanana, sivily sy miaramila. “Nosafidiana manokana ity kaominina ity, hoy Atoa Governora, mba hanaporofoana amin’ny rehetra fa manana lavanila betsaka ary manaraka ny kalitao tadiavina Analanjirofo”. Marihana fa aman-jaton-taonina ny lavanila mivoaka avy ao amin’izany kaominina izany, ankoatr’ireo any amin’ireo kaominina, manerana ireo distrika enina mandrafitra ny faritra moa. “Tombanana ho any amin’ny enin-jato taonina any ho any vokatra lavanila tamin’ity taona ity any amin’iny faritra iny” hoy ny fanazavana azo. Manaraka ny fenitra takiana ihany koa, satria, raha ny hita tany an-toerana dia mahatratra hatrany amin’ny 21 sm ny halavan’izany lavanila maitso izany. “Manahirana ny mamboly lavanila satria ankoatry ny resaka fiambenana, ny tsy fandriampahalemana izay mianjady amin’izy ireo isan’andro isan’andro, mandram-piandry ny fiotazana, dia eo ireo fikarakarana marobe, tsy maintsy atao, ahafahana mahazo ilay kalitao. Raha ny marina dia tsy tokony ho 75.000ariary izany fotsiny ny iray kilao amin’ny lavanila maitso fa tokony ho ambony lavitra noho izany” hoy ny fitarainan’izy ireo. Raha tamin’io andro voalohany nisokafan’ny taom-piotazana io moa dia nanombana ho 120.000 ariary ireo tantsaha, saingy mbola banga hatrany aloha ny tabilaon’ireo mpividy, hatramin’ny fotoana nialànay tany an-toerana. Mahakasika ity resaka vidin’ny lavanila ity moa dia hentitra tanteraka ny Governora ny amin’ny tokony hanajàna izay vidiny farany ambany izay. Nanampy ihany koa, Rtoa Rajaonarison Adonia, talem-paritry ny varotra sy ny fanjifàna any an-toerana fa hanaramaso akaiky ireo tsenan-davanila rehetra any an-toerana. Nilaza moa ireto tompon’andraikim-panjakana ireto fa hisy ny sazy mafy hampiharina amin’ireo olona na mpandraharaha tratra sy minia tsy manaja ireo vidiny farany ambany napetraky ny Fanjakana io.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici