- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversANALANJIROFO - Soanierana Ivongo : Mizotra hatrany ny fanamboaran-dalana ao Ampasimbola

ANALANJIROFO – Soanierana Ivongo : Mizotra hatrany ny fanamboaran-dalana ao Ampasimbola

Nandritry ny fijerena ny fizotry ny asa.

Tonga nijery ifotony ny fizotry ny fanamboaran-dalana ao amin’ny fokontany Ampasimbola, distrikan’i Soanierana Ivongo ny Goverinoran’ny faritra Analanjirofo, ny Dr Randriamanantena Marcellin, ny faran’ny herinandro teo. Hatreto, 23 isan-jaton’ny asa no vita. Lalana izay mirefy eo amin’ny 15 kilaometatra eo, mampitohy ny lalam-pirenena fahadimy, mitsofoka mihazo an’io fokontany ka ny dimy kilaometatra amin’izany no atao rarivato. Hahazo tombony betsaka amin’izany araka izany ny kaominina Ambinanisakana rehefa vita soa aman-tsara ny lalana, izay nampitaraina fatratra ireo mponina teo aloha. Marihana fa enim-bolana no fe-potoana hamitàna izany asa izany, ary ny Casef no miantsoroka ny fanantanterahana azy, ary ny orinasa AER kosa no miantony fanamboaran-dalana.

Tonga niaraka tamin’ny Governorana moa ireo solontenam-panjakana avy ao Soanierana Ivongo. « Sehatra iray hahafahana mampiroborobo ny tontolon’ny ambanivohitra izao ary hisaorana ny fitondram-panjakana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina » hoy ny ity tompon’andraikitra voalohan’ny faritra ity nandritra ny kabariny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici