- Publicité -
lundi, août 31, 2026
AccueilFaits-DiversAnalanjirofo : Tetik’asa Rindra / PNUD Drafitr’asa fampandrosoana ho an’ny Faritra

Analanjirofo : Tetik’asa Rindra / PNUD Drafitr’asa fampandrosoana ho an’ny Faritra

Faritra dimy sy kaominina arivo eto Madagasikara no hisitraka ity tetikasa Rindra, izay novolavolain’ny PNUD ary vatsian’ny USAID vola ity. Anisan’izany ny faritra Analanjirofo. Nisy araka izany ny herinandro teo atrikasa, izay nandraisan’ireo herivelona, ratsamangaika sy sampan-draharaha misehatra amin’ny fampandrosoana avy ao amin’ny faritra Analanjirofo anjara, ho enti-mametraka sy mahazo drafitr’asa mazava sy maty paika hampandrosoana ireo kaominina rehetra hiasan’ity Tetikasa Rindra ity. Notontosaina tao Foulpointe, ny alakamisy sy ny zoma lasa teo, izany atrikasa izany, izay nifantohan’ireo mpandray anjara tamin’ny fijerena ireo fototra sy sehatra mampandroso maharitra ny faritra ary mba hitovian’ny fijery amin’izay lafin’ny fampandrosoana izay. Tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Governoran’ny Faritra Analanjirofo Dr Randriamanantena Marcellin niaraka tamin’ny Mpandrindram-paritry ny PNUD aty Analanjirofo. Heverina fa aorian’izany atrikasa izany dia hisy ny hevi-baovao hanatsarana hatrany ireo fomba fandraisana ny dom-berina avy amin’ny vahoaka, hijoro ho amin’ny fampandrosoana ny faritra Analanjirofo. Ala Makira. Amin’izay lafin’ny fampandrosoana ny faritra izay hatrany, saingy eo amin’ny lafin’ny fizahantany sy ny tontolo iainana dia tontosa soa aman-tsara ny zoma lasa teo, ny atrik’asa fankatoavana ny drafi-panajariana sy fitantanana ny ala Makira, izay marihana fa ny 64 isan-jaton’ny velarany (noyau dur) dia mandrakotra ny faritra Analanjirofo, ao amin’ny distrikan’i Maroantsetra. Tonga nitarika izany atrik’asa goavana izany ihany koa moa ny Governoran’ny faritra Analanjirofo, niaraka tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana maro avy amin’ny ministera efatra sy ireo teknisianina mpiara-miombon’antoka. Nisy ny fehin-kevitra maromaro tapaka tao. Ao anatin’izany ny fametrahana dina isaky ny kaominina, ny fifehezana ireo mpifindra monina mpanimba ala ary ny fanampiana tosika ireo vahoaka eny ifotony, amin’ny asa fivelomany mba tsy hanapotika ny ala.

 m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici