- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversAnalavory : Jiolahy telo mpanakan-dalana maty voatifitra

Analavory : Jiolahy telo mpanakan-dalana maty voatifitra

Raikitra ny fifandonana teo amin’ireo olon-dratsy sy ny zandary ary ny fokonolona, ny voalohan’ny herinandro teo, tany amin’iny distrikan’i Miarinarivo iny. Nitatatata ny basy, nandriaka ny rà… Mpanangom-bokatra iray avy aty an-drenivohitra handeha hidina any Alatsinainikely, ao amin’ny kaominina Analavory ? no niharan’ny fanakanan-dalana teny an-dalana. Efa voasakan’ireo olon-dratsy tamin’ny vato isan-karazany ny lalana, hoy ny fampitam-boavaon’ny zandary, saingy mbola afaka ihany ny fiara nentin’ity mpandraharaha ity. Hany herin’ireo olon-dratsy dia niezaka nitifitra azy sy namely tamin’ny tora-bato. Saingy tsy voa … ! Tamin’io fotoana io ihany no niantso vonjy tamin’ireo fokonolona ity niharam-boina ity. Nanampy avy hatrany ireto farany, hoy ny vaovao, noho ny fanentanana azy ireo ho amin’ny Tagnamaron’ny fandriam-pahalemana, ary niara-nirohotra nanao ny fanarahan-dia ireto mpanakan-dalana, mpandoto rano any amin’ny tanàna misy azy ireo ireto. Efa tonga teny am-pototsofin’ny zandary ihany koa ny filazàna ary niditra an-tsehatra avy hatrany ireto farany, nanetsika ireo zana-tobim-paritra manodidina, hiambina ireo kizo, na ireo lalana mety handalovan’ireo olon-dratsy ao anatin’ny fitsoahan’izy ireo. Nanampy tosika avy aty aoriana tamin’ny alalan’ny fanenjehana teny ambony kodiaran-droa kosa ireo zandary avy aty Analavory. Tsy ela dia nifankatratra ny roa tonta ary io raikitra io ny fifandonana. Vao nahatazana ireo mpanenjika moa ireo mpanafika dia tsy nisalasala nampiasa ny basy teny am-pelatanan’izy ireo. Efa tsara ofana sy zatra ady anefa ireo mpitandro filaminana sy ireo fokonolona mpanara-dia ka tsy nahakasika azy ireo akory, eny fa na dia ny singam-bolo aza, ny balan’ireo malaso. Voatery namaly tifitra ireo zandary, ary nidaboka tsirairay toy ny moka ireo andian’olon-dratsy. Telo no fantatra fa lavo, hoy hatrany ny vaovao. Nanao tari-dositra sy tsoa-pe nanavotra ny ainy kosa ireo naman’izy ireo hafa. Tamin’ny fotoana nitsirihana ny razana no fantatra fa olona avy any amin’iny faritra Ankadinakanga sy Miandrarivo, any amin’iny distrikan’i Tsiroanomandidy iny, ireto farany. Ny iray tamin’izy ireo kosa tsy mbola fantatra na avy aiza na avy aiza. Efa nomena ny fokonolona halevina moa ireo razana, taorian’ny fitilian’ireo mpitsabo. Mbola mandeha kosa any an-toerana ny fikarohana ireo tafapotsika, raha ny vaovao azo hatrany.

 m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici