- Publicité -
jeudi, juin 12, 2025
AccueilFaits-DiversAnalavory Miarinarivo : Dahalo mpangalatra omby mitam-piadiana, valo mianadahy voasambotra

Analavory Miarinarivo : Dahalo mpangalatra omby mitam-piadiana, valo mianadahy voasambotra

Noho ny fiaraha-mientan’ny Fokonolona sy ny Zandary avy ao amin’ny « Poste Avancé Analavory », dahalo valo mianadahy nitam-piadiana nikoizana tamin’ny halatr’omby tany amin’ny Distrikan’i Miarinarivo no azo sambo-belona, ny alarobia teo, ka vehivavy ny iray tamin’ireo voasambotra. Raha ny vaovao voaray, ny 08 jolay teo no nanafika tao amin’ny Fokontany Kianjasoa Kaominina Analavory ny dahalo  enina, izay naka omby 10. Tao anaty fanarahan-dia, tafaverina ny omby  enina, raha novonoin’ ireo dahalo ny iray. Mbola niverina nanafika tao Ambodimanga KaomininaAnkaranana indray ireto dahalo nitondra basy sy sabatra, ny alarobia hariva teo tamin’ny fito ora, ary nangalatra omby 20. Nitifitra ireo mpandroba, ka olona iray teo an-tanàna naratra mafy.

Tambazotra matanjaka. Niantso ny « Chef de poste Gendarmerie Analavory » ny Ben’ny tanànan’ Ankaranana mba hanampy ny Fokonolona manara-dia amin’ny fanakanana ny omby nentin’ireo dahalo nitsoaka any amin’ny faritra Analavory, ka Zandary enina no nanampy an’ireo Fokonolona nanara-dia. Rehefa nifanehitra tamina kizo iray ny roa tonta nony hadiva haraina ny andro, dia lasa nitsoaka ireo dahalo, ary navelan’izy ireo teo ny omby. Tao anaty fifanenjehana, dahalo iray azo sambo-belona, ary nanondro ny namany rehetra ity farany avy eo, ka dahalo no valo voasambotra niaraka tamin’ny basy vita gasy telo, balam-borona « calibre 12 » enina ka ny roa tamin’ireo mbola tsy nipoaka, ary sabatra iray sy mohara maro niampy fanafody gasy tamin’ny gony, sy taratasin’omby hosoka fampiasain’ireo olon-dratsy. Natolotra ny Fampanoavana tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Miarinarivo ireo tra-tehaka, ary tazonina am-ponja vonjimaika avokoa ankehitriny.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici