Taorian’ilay tany Soavinandriana dia tokantrano iray tao Analavory indray no nahatratrarana rongony manodidina ny 40 kilao teo ho eo, ary natao tao anaty baoritra miisa roa, ny alakamisy lasa teo. Ny sasany tamin’ireo rongony ireo dia efa tsara fono vonon-kamidy.
Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny avy ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Miarinarivo ho famongorana ireo fanetriben’ny firenena amin’ny fanaparitahana itony zava-mahadomelina mahery vaika itony. Araka ny fampitam-baovao ao dia tsilian-tsofina tonga teny am-pototsofin’ireo zandary no nahenoana io fisiana tokantrano iray ao Bengitsy miroboka amin’ny fivarotana sy fanaparitahana rongony amin’ireo tanora any an-toerana. Nisy avy hatrany ny fidinana tany an-toerana sy ny fanaraha-maso ilay trano voalaza. Rehefa niniana novangiana mihitsy moa ity tokantrano ity dia raim-pianakaviana iray no nampiantrano ireo mpitandro filaminana. « Mba ho fanamarinana, ka rehefa nanaiky ny handrosoan’ireo zandary tao an-trano ilay loham-pianakaviana dia nambara azy ny anton-dia ». Rehefa natao moa ny fitsirihana dia nahitàna baoritra hafahafa nisy fonon-javatra niparitaka tao an-dakozia. Nosavaina io ka hita tamin’izany fa rongony maina amina kilao maromaro no tao anatiny. Tsy vitan’io baoritra iray ihany anefa fa mbola nisy baoritra hafa kosa tazana tsy lavitra teo. Nentina nogiazana avy hatrany ireto zava-mahadomelina ireto ary nasaina nanaraka ireo zandary tany amin’ny birao mba hanaovana famotorana kosa ilay raim-pianakaviana. Mbola anatin’ny fanadihadiana tanteraka moa ireo tompon’andraikitra amin’izany ka heverina fa rehefa vita izany dia hatolotra ny Fampanoavana tsy ho ela ity lehilahy mpibizina rongony ity.
m.L