
Amin’ny andro antoandrobenanahary ary mbola mifanaretsaka tanteraka ny olombelona, omaly, no nisy fanafihana tampoka nitranga. Toeram-pivarotana lehibe iray eo an-toerana, mpaninjara sakafo sy entana mahakasika izany, no notsidihan’ireo olon-dratsy. Raha araka ny fanazavan’ny pôlisy misahana iny boriborintany iny dia misy efatra izy ireo. Ankoatra izay, tsy hita fa niandry tany ivelany tany. Ny roa nitondra basy ary ny roa hafa nitondra antsy lava. Vao tafiditra tao amin’ilay toeram-pivarotana ireo dia norahonana tamin’ny basy avy hatrany ny olona tao anatiny. Tsy vitan’izany fa mbola notsatohany antsy ihany koa ny sasany tao. Teo dia efa nisy naratra mafy roa tao amin’io toerana io. Tsy nisy azo natao intsony ankoatra ny nanaraka ny baikon’ireo jiolahy. Nomena azy ireo izay vola nisy tao amin’ny toeram-pivarotana. Raha araka ny fanampim-panazavana azo hatrany dia mitentina 10 tapitrisa ariary no very tao anatin’ny fotoana fohy. Izany rehetra izany dia nitranga teo ambany mason’ny olona rehetra nivezivezy teny Anatihazo-Isotry, tamin’io fotoana io. Taorian’ny fanafihana dia mbola nanapoaka basy ihany koa ireo olon-dratsy mba hiarovana amin’izay olona mety hanenjika. Nisy tokoa ny saika hiditra an-tsehatra saingy voatifitry ny bala izy ireo tao anatin’izany. Olona roa hafa indray no naratra mafy raha araka ny fanazavana azo tamin’ny pôlisy hatrany. Tonga ara-potoana ny hery vonjy taitran’ny pôlisy, izany hoe ny UIR sy ny SAG ary ny kaomisaria nisahana an’io boriborintany io. Natao ny fisafoana mahazatra ary nidirana hatrany an’elakelan-trano rehetra tany, saingy tsy nahitam-bokany izany. Heverina fa efa hain’ireo jiolahy tsianjery ny lalana hitsoahany sy hiafenany. Miverina mahazo vahana indray ny fanafihana mitam-basy tamin’ity herinandro ity ary ireo mpivarotra entana ambongadiny hatrany no lasibatra. Isan’ny tadidy ny fisian’izany teo Ambohipo, ary nobataina tamin’ny baoritra mihitsy ny vola.
D.R