23 ny iray aty 26 taona ny iray. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny polisim-pirenena dia efa tontakely rain-dahiny tanteraka, ikoizana sy nampitondra faisana teny amin’iny faritra iny ireto voasambotra ireto. Efa nisazy tany am-ponja saingy mbola namerin-keloka indray. Ny alahady teo izy ireo no noraisim-potsiny, raha nikasa ny hanao ny asa ratsiny teny amin’iny faritra Anatihazo sy Manarintso Isotry iny. “Manoloana ny trangana fanendahana miseho matetika amin’iny faritra isotry sy ny manodidina dia nanao hetsika ny teo anivon’ny Polisy miasa ao amin’ny Commissariat de Police 4ème arrondissement Isotry nandefa polisy manao fanamiana sivily hitsongo ireo olon-dratsy. nahitambokany ny hetsika ka jiolahy miisa 2 no tratehaka teo ampanaovana ny asa ratsiny teny Manaritsoa Anatihazo. Marihana fa isan’ireo panendaka efa mpamerikeloka ireto tratra ireto” hoy ny fampitam-baovao azo. Nentina avy hatrany tany amin’ny birao moa ry zalahy ireto nanaovana famotorana ary natolotra teny anivon’ny Fampanoavana taorian’izay. Naverina nadoboka teny amin’ny fonjan’Antanimora indray izy ireo, araka ny fanapahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana. Anisan’ny lesoka iray eto amintsika tokoa, raha eo amin’ny lafin’ny famaizana ny resaka fonja. Raha ny tokony ho izy dia toeram-panarenana, ahafahan’ireo voafonja miverina eny anivon’ny fiaraha-monina sy miala tamin’ny ratsy fanaony ny fonja. Raha ny zava-misy eto anefa dia ny mifanohitra tanteraka, satria dia toa zary toerana “fakan’aina” sy “fialan-tsasatra” ho an’ireo tontakely fotsiny. Miverina manao ny ataony ihany izy ireo rehefa tafavoaka. Ary ny tena loza, dia niha-nivoatra tamin’ny ratsy fanaony ry zalahy sasantsany.
m.L