lehilahy iray no maty tsy tra-drano, raha niala aina teny an-dalana ihany koa ny vadiny. Tsy nahalefi-po ity farany, ka niroso tamin’ny samby tsy manana, teo amin’ny vadiny sy lehilahy iray, noeritreretiny nifangalatra ara-pitiavana tamin’ny Ramatoa vadiny, any ka niafara tamin’ny finidronana antsy fisisika ny raharaha. Ny alin’ny faha 30 hifoha 31 volana jolay taona 2024 teo, tokony ho tamin’ny 01 ora maraina tany ho any, tao amin’ny fokontan’Andakavaky ( Ankara,) Antsapanana, kaominina ambanivohitra Tsararano, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna no nisehoan’ny loza tsy manam-paharoa, izay voalaza etsy ambony. Raha hijerena sy hotantarana tokoa ny zava-nitranga dia tahak’izao ny zava-niseho, lehilahy iray antsoina hoe: Remanary, vadin’ilay ramatoa antsoina hoe: Linivola, izay monina any amin’ny kaominina ambanivohitra Berivotra 5/5, no nifamaly tsy hay niandohana ny sabotsy faha 27 Jolay 2024 lasa teo iny, tao amin’ity tanàna voalaza etsy aloha ity. Taorian’izay no nana-pakevitra ny hiala hamonjy fiodiana tany amin’ny Ray aman-dreniny niterak’azy, tao Andakavaky i Linivola, mba hisoroana ny ady tsy hitatra, teo aminy sy ny vadiny. Ny harivan’ny talata faha-30 volana jolay taona 2024 teo no nanaraka ny vadiny, tao amin’ny tanànan’Andakavaky, Remanary, satria nentiny hangaomana diso tafahoatra loatra nahazo azy. Nandritra ny fahatongavany tompom-bady tany an-toerana, dia tsikariny tafaresaka tamin’ilay lehilahy namany antsoina hoe: Momo ny vadiny. Tsy nahatana ny fony ranamana, ka nisintona ny antsy fisisika teo ambalahany, ary izao niroso tamin’ny fanindronana antsy izao. Vokany: voakapa teo amin’ny tanany ilay vadiny, ka naratra mafy, raha maty tsy tra-drano teo no ho eo, noho ny dian’antsy teo amin’ny kibony kosa Atoa Momo. Vetivety teo dia lasa nitsoaka nalaky tsy hita izay nalehan-dRemanary, izay navanon-doza. Rehefa naheno sy nahazo fampifantarana ny zava-nitranga ny mpitandro ny filaminana ao Antsapanana, dia niroso tamin’ny fanarahan-dia avy hatrany. Ny zandary ao amin’ny Poste fixe Berivotra 5/5 ihany koa dia nanao ny fisafoana haingana tao amin’ny trano fonenan-dRemanary, saingy tsy tratra tao ity farany. Nohezahin’ny fokonolona nentina hamonjy hôpitaly kosa ny naratra, saingy tsy tana ihany koa ny ainy, vokatry ny fahaverezan-drà be loatra teny an-dalana. Efa tonga any an-toerana nanao ny fikarohana ny lehiben’ny borigadin’ny Zandary eto Maevatanàna an-tampon-tanàna.
Ratantely