- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversAndapa : Kilan'ny afo ny biraon'ny Jirama

Andapa : Kilan’ny afo ny biraon’ny Jirama

Tokony ho tamin’ny 11 ora maraina no nahatsikaritra setroka be ny vahoakan’Andapa, omaly. Rehefa nojirihina izany dia fantatra fa ny biraon’ny Jirama tao an-toerana no nirehitra. Sady birao no trano fonenana izy io, raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’io orinasam-panjakana io. Tsy fantatra mazava ny tena nitarika ny afo. Nisy ny fanadihadiana nosokafan’ny zandary, omaly ihany. Hatreto aloha dia tsy avy tamin’ny fihetsiketseham-bahoaka na antony mitovitovy amin’izany no heverina ho nitarika ny afo. Nilamina tanteraka tao Andapa ary tsy nisy grevy na fitarainana iombonana, talohan’io firehetana io. Na izany aza, amin’ny maha-birao ilay toerana, dia marobe ny antontan-taratasy may tao. Vita tamin’ny hazo rahateo ny ampahany amin’ilay toerana, hany ka vetivety dia nahazo vahana ny afo.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici