Miha-mahazo vahana hatrany ity resaka halatra lavanila ity any amin’iny faritra Sava iny. Tsy manaiky lembenana amin’izany anefa ireo tompon’ny tanimboly ary dia mamono mahafaty izay tratrany mihitsy. Toy ity nitranga tany amin’iny distrikan’Andapa iny, ny alarobia lasa teo. Mpangalatra lavanila iray no tratran’ny tompony teo am-pitangosana, tao Ambaridy, Beanjavidy, kaominina Benampona. Raikitra avy hatrany ny ady teo amin’ny roa tonta ka voafiran’ny tompon’ilay saha tamin’ny antsy ilay mpangalatra, izay voa teo amin’ny vozony sy teo amin’ny tanany. Nipitika niala mihitsy moa izany, raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Nentina avy hatrany tany amin’ny tompon’andraikitry ny fokontany teo an-toerana ity mpangalatra ity, izay efa tena naratra be tokoa. Iry voalohany indray avy eo no niantso ny zandary. Fotoana monja taorian’izay anefa, dia namoy ny ainy ilay tovolahy tratra nangalatra, noho ny habetsaky ny rà very, eny fa na dia efa nomena ny fitsaboana sahaza azy aza. Nandray an-tànana ny raharaha avy hatrany ireo tompon’andraikitry ny filaminana, ary nandeha avy hatrany ny famotorana. Fantatra fa, efa nohadihadiana ilay tompon’ny tanimboly izay namono ity tovolahy ity, niampy olona roa hafa. Tafiditra tao anatin’ny famotorana ihany koa ny Sefo fokontany tany an-toerana; izay nitondràna ilay mpangalatra voasambotra.
m.L