- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversAndapa : “OMC district”, nandray fepetra hentitra hitandroana ny fifamoivoizana

Andapa : “OMC district”, nandray fepetra hentitra hitandroana ny fifamoivoizana

Manoloana ny lozam-pifamoivoizana izay nisesisesy tato ho ato, dia nandray fepetra hentitra ny “OMC district” ao Andapa entina hitandroana ny fifamoivoizana ary indrindra indrindra ny ain’ny mpandeha, nandritra ny fivoriana notanterahin’izy ireo niaraka tamin’ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana. Anisan’ny fepetra napetrak’izy ireo ny fampidirana “fourrière” ireo fiara sy ny “moto” mihoatra amin’ny hafainganam-pandeha tokony ho izy, ny fampidirana “violon” tsy misy hataka andro ireo mpamily tsy manaja izany na mamo na ho an’ny fiara izany na ho an’ny “moto”. Ankoatra izay, fepetra tsy maintsy arahina ihany koa ny tokony hanasiana jiro ireo posy mivezivezy indrindra amin’ny alina, ny hanaovan’ireo mpitondra sy mpitaingina ‘moto” ny aro loha ary ny tokony hanesoran’ireo “camion” ny entana mihoatra amin’ny fatra tokony ho izy. Tapaka nandritra ny fivoriana ihany koa ny ora ahafahana manao “débarquement”, manelanelana ny amin’ny 5 ora hariva hatramin’ny 7 ora maraina ihany. Farany, fantatra ihany koa fa tsy afaka hiditra ny kaominina andrenivohitra Andapa mihitsy ireo “kibota” raha toa izy ireo ka mitatitra vary. Manantena araka izany ny “OMC district” sy ireo mpitandro ny filaminana ny hisian’ny fanarahan-dalàna eo amin’ny vahoaka voakasik’izany mba hisy fiantraikany tsara amin’ny fitandroana sy ny fisorohana ny lozam-pifamoivoizana ny fametrahana ireo fepetra ireo.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici