vendredi, mai 23, 2025
AccueilFaits-DiversAndasibe : Dimy lahy mpangalatra taolam-paty, voasambotry niaraka tamin’ny taolam-paty 3...

Andasibe : Dimy lahy mpangalatra taolam-paty, voasambotry niaraka tamin’ny taolam-paty 3 gony

Jiolahy dimy voatondro ho mpamaky fasana sy mpangalatra taolam-paty no saron’ny Zandarin’ Andasibe, ny 29 novambra teo, tany amin’ny lalam-pirenena faharoa PK 135 (5 km miala ny renivohitry ny Kaominina). Taorian’ ny vela-pandrika nataon’ ny mpitandro filaminana noho ny fiara-miasa avy tamin’ ny olona tsara sitrapo no nahatratrarana an’ireto olon-dratsy tanora vao erotrerony, satria 21 taona ny zandriny indrindra raha 31 taona ny zokiny. Araka ny tati-baovao voaray, dia saika fianakaviana iray ary tompon’ny fasana vaky ihany ireto jiolahy tratra ireto, ka fasana roa samihafa no novakian’izy ireo nanomboka ny volana martsa lasa teo, izay efa nahazoan’izy ireo taolam-paty tapa-gony tao amin’ny Fokontany andasifahatelo, Kaominina Ambanivohitra Andasibe. Mbola tao anatin’ ny famotorana an’ireto jiolahy ihany no nahafantarana, fa telo gony ny fitambaran’ny taolam-paty azon’ izy ireo, ka tao amin’ny Fokontany Fanovana, Kaominina Ambatovola no namenoan’ ireo mpamaky fasana ny taolam-paty efa azon’ izy ireo teo aloha. Vao nahare izany ny fianakavian’ny vaky fasana dia namonjy ny tobin’ny Zandarmaria naka ny fanampim-baovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici